Nandefa taratasy eny amin’ny HCC ireo minisitra teo aloha isany, Sahondrarimalala Marie Michelle sy Razafinjato Aurélie mba hiverenan’izy ireo ho depiote indray. Voafidy tao Fianarantsoa sy Vohibato izy ireo fa voatendry minisitra tamin’ny fitondrana Rajoelina. Niakatra ho depiote ireo mpisolo toerana. Hiverina eny Tsimbazaza izany izy roa vavy.
Hisokatra sy handeha ny fahitalavitra Fahazavana eo anivon’ny FJKM. Niarahaba ny kristianina rehetra ny filohan’ity fiangonana ity, Andriamampianina Zaka Harimasy. « Nomen’ny fitondram-panjakana fahazoan-dalana ny hisokafan’izany… Natao hitoriana ny filazantsara amin’ny vahoaka malagasy rehetra sy ny kristianina izany », hoy izy.
Tohivakana ny fametraham-pialan’ireo ben’ ny Tanàna. Nametra-pialana, afakomaly koa, ny ben’ ny Tanànan’Ambalavao, Razanamahefa Njatonirina. Nidina an-dalambe nanao hetsika ny vahoaka tato anatin’ny andro vitsy nitakina ny fialany. Tsiahivina fa efa nametra-pialana noho ny hetsi-bahoaka koa ny tany Manjakandriana.
Tsy tokony hafangaro ny valifaty politika sy ny vesatra amin’ny fandikan-dalàna, araka ny nambaran’ny mpamakafaka politika, Rakotonirina Nantenaina. « Mila azo sy mazava amin’ny olona ny atao hoe valifaty politika sy ny fanenjehan’ny fitsarana », hoy izy. Ialokalofan’ireo tsimatimanota ny hoe voarohirohy ara-politika ka tsy azo ekena, araka ny nambarany.




