« Scène slam » : Omena lanja ny famoronana

Tafiditra ao anatin’ny fampitiavana sy fampivelarana ny tontolon’ny Slam, hanatanteraka fihaonana manana en­drika atrikasa « Scène slam » ny Goethe-Zentrum/Cercle Germano-Malagasy etsy Analakely. Hetsika hotante­rahina ny tontolo andron’ny asabotsy 8 novambra izao. Omen’ny Madagaslam lanja ao ana­tin’izany ny asa famoronana tsy voafehin’ny lohahevitra fa malalaka, amin’ny ambaran’ny vava. Manom­boka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny mitataovovonana no hanatonto­sana ny fifanakalozana sy fifampiza­rana trai­kefa ary fampitam-pahalalana momba izany. Ny tolakandro, manomboka amin’ny 3 ora kosa, hisokatra ho an’ny rehetra ny sehatry ny efitrano malalaky ny Goethe-Zentrum/Cercle Ger­mano-Malagasy.
Fantatra fa sokajiana ao anatin’ny lahabo­lana am-bava ny Slam. Tsy mifanalavitra loatra amin’ny kabary izy io, amin’ny lafiny sasany. Na izany aza, iraisana kosa ny tokony hana­nana saina kinga sy mivelatra amina lafin-javatra maro. Manampy indrindra ny mpiangaly Slam ny fananany izany.
Iray amin’ireo zavakanto manavanana ny Malagasy izy io. Nambaran’ireo vahiny manam-pahaizana manokana momba ny Slam fa: « kanto tokoa ny slam ataon’ny Malagasy noho ny fananan’ny teny malagasy lantom-peo tsara sy mazava, hany ka mampite hihaino hatrany ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: