Atao amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana ny asan’ny fitsarana mba hahazoana mampihatra ny lalàna, araka ny hafatry ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, tamin’ny fananganan-tsaina teny Faravohitra, omaly. Nampahery ny mpiara-miasa izy amin’ny fahasarotan’ny asan’ny fitsarana. Tsy mila dinihina eo anivon’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) intsony ny […]
Other News
Vaomieran’ny ranomasimBe Indianina : Hatsangana ny sekoly momba ny fifidianana
“Tanjona ny fametrahana sekoly momba ny fitantanana fifidianana”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), Razafindravahy Edgard, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Enam, Androhibe, omaly, momba ny atrikasa fampiofanana ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana. Mifanindran-dalana rahateo amin’ny 15 septambra, Andron’ny demokrasia, izany. Mandray anjara amin’ izany ny solontena avy […]
Hamantam-bonona?
Mangingina ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Tsy arakaraky ny hevi-diso ketrehin’ireo milaza azy ho mpanohitra. Tsy vitan’izay fa mbola any an-dafindriaka, tsy afa-manao na inona na inona no be vava. Manao fampirisihan-diso ny vahoaka izay efa mahatsapa fivoarana eto amin’ny tanàna. Efa leom-boananana amin’ny hafitsoky ny mpilalao politika […]
Firotsahan-kofidina loholona : 60 tapitrisa Ar ny anto-bola isaky ny lisitra kandidà
Hatao ny 11 desambra izao ny fifidianana loholona, araka ny didim-pitondrana navoakan’ny governemanta. 60 tapitrisa ariary ny anto-bola isaky ny lisitry ny kandidà amin’izany. Misy ny didim-panjakana 2025-912 navokan’ny governemanta, tamin’ ny 9 septambra 2025, izay fanaikana ny mpifidy amin’ny fifidianana loholona ho amin’ ny 11 desambra. Ny mpifidy vaventy […]
TSELATRA
May kilan’ny afo ny trano an-jatony any Anosinakoho, kaominina ambonivohitra Mananjary, omaaly tamin’ny 4 ora sy 20 min hariva. Niara-nientana mamono ny afo ny mponina satria tsy misy sampana mpamonjy voina any an-toerana. Vokany, lasa lavenona avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Manao antso avo mba hisian’ ny mpamonjy voina […]






