Other News

Mamono tena

Mafy ny fiainana! Tsy antony hanaovana sorona ny tena anefa izany. Mahonena ny mahita ny fianakaviana nilaozana noho ny “fitiavan-tena”. Marina fa mijaly, saingy efa iarahan’ny olon-drehetra mizaka  ny fahoriana. Iza no tsy mijaly ara-pitiavana fa mety manafina fotsiny. Jereo anie fa raha ny antontan’isa izao dia milaza indray fa […]

Tsy fahazoana karama: Manome 48 ora ny mpitondra ireo miaramila misotro ronono

Niaka-dapa! Nitokona teny Ampahibe, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, avy eo nihazo an’Ambohitsorohitra ireo miaramila an-jatony, misotro ronono. Nitaky ny volany izy ireo ary nanome fe-potoana ny fitondram-panjakana.  Nambaran’izy ireo, ta­min’izany, ny fitakiana ny volan’izy ireo, ary nanomezany fe-potoana ao anatin’ny 48 ora hamahana ny olana. Hampiakarina eto an-dRenivohitra avokoa ireo […]

Cash point voatafika : 8 tapitrisa Ar voaroba, jiolahy roa voasambotra

Niharana fanafihana mitam-piadiana ny lehilahy iray mitazona Cash point tetsy Andraharo, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Hiditra hiasa maraina toy ny mahazatra izy no nisy lehilahy miisa dimy, nirongo fitaovam-piadiana nanambana azy tamin’ny basy sy antsy. Nosintomin’izy ireo, tamin’izany, ny kitapo iray feno vola mitentina 8 tapitrisa Ariary, […]

Mamo mitondra moto sy fiara : Tafakatra 40 mahery ireo namoy ny ainy

Mampirongatra ny lozam-pifamoivoizana ny hamamoana. Mahatratra 40 mahery ireo maty teto Analamanga, tao anatin’ny dimy volana. Hidina ifotony, hanamafy ny fisorohana izany, ny polisy. Tafakatra 40 mahery ireo olona namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto amin’ny Fa­ritra Analamanga, nanomboka ny volana janoary 2026 hatramin’ity volana mey ity, raha ny […]