Misokatra amin’ny fiaraha-miasa any ivelany i Madagasikara, hiantohana ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny indostria. Vonona hanangana orinasa sy ozinina maro eto amintsika i Chine. Mila antoka kosa ny fiarovana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana. Nivoitra izany rehetra izany nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny […]
Other News
Fanjifana : Miantoka ny fifampitokisana ny lanja marina
Manamafy ny fifaninanana eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanajana ny refy sy lanja amin’ny famokarana sy ny indostria. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany momba ny refy sy ny lanja, omaly. “Tanjon’ny fankalazana ny hiarovana ny mpanjifa, indrindra amin’ny lafiny lanja sy refy mba hisorohana […]
Atsimon’ny Nosy : Voafehy ny ady amin’ny valala
Tsy mety foana ny andiam-balala, saingy misy ny fomba mahomby hiadiana aminy. Mihena tsikelikely ny velaran-tany ahitana azy. Tanjona ny paikady fisorohana ny fitomboany. Misahana ny ady amin’ny valala ny Ivontoerana Famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Manohana ara-teknika azy […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho ambasadaoron’i Madagasikara any Rosia, Andriamanjato Ny Hasina, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Ambasadaoro any Alemana Razafimbelo Alain Manajary ary masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU), any New York, Rahajarizafy Lanto. Tsy ho voavahan’ny fitondram-panjakana ao anatin’ny valo volana ny olana efa tao […]
Parlemanta rezionalin’ny tanora : Hitondra ny feon’ny tanora ho amin’ny hoavy mamiratra
Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza, ny fivoriamben’ny Parlemanta rezionalin’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina na ny «Parlement régional des jeunes de l’indianocéanie» (PRJIO). Nankatoavina, nandritra izany, ny tolo-pehin-kevitra roa izay novolavolain’ izy ireo mahakasika ny fiarovana ny fitaterana an-dranomasina, ny fitantanam-panjakana sy ny toekarena manga ary ny […]






