Nifarana tany Mahajanga, renivohitry ny faritra Boeny, omaly, ny fivoriamben’ny governora avy amin’ny faritra 18 amin’ny 24 manerana an’i Madagasikara, nandritra ny hefarana. Ny ezaka fampandrosoana ny isam-paritra, ny fifampizarana traikefa no anton’ny fivoriana, nibanjinana ny lohahevitra hoe: “Fihaonamben’ny governora, ho fampandrosoana mirindra isam-paritra”. “Tanjona iombonana ny fampandrosoan an’i Madagasikara”, […]
Other News
Fitiavana no lehibe indrindra
Omaly ihany dia efa feno ny toerana ho an’ireo olona handeha hanohana ny ekipam-pirenentsika, Barean’i Madagasikara, any Kenya. Manginy fotsiny ireo mbola misisika ny handeha. Tsy mampaninona azy ireny ny handoa volabe efa mihoatra ny 2 tapitrisa Ariary. Entanim-pitiavana tokoa. Ankoatra ny mpanefoefo, betsaka ny entanim-pitiavana ka mamorona ny […]
Fampiofanan’ny MFFT: Hatsaraina ny fitantanam-bolan’ny kaominina
Mitohy amin’ity herinandro ity ny fampiofanana ho mpampiofana momba ny fitantanana ny tetibola sy ny volan’ny kaominina. Tanterahina any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana izany, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nambaran’ny eo anivon’ny minisitera fa anisan’ireo laharam-pahamehana ny fanatsarana ny paikady amin’ny fitantanana ny […]
TSELATRA
Tontosa omaly, teny amin’ny Premier Bataillon Parachutiste Ivato, ny fanaovam-beloma farany ireo manamboninahitra telo mirahalahy avy eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena, izay namoy ny aina nandritra ny fanazaran-tena filatsahana tany Arivonimamo, ny alarobia lasa teo. Hatsangana ny Commission d’enquete mixte hanao ny fanadihadiana mahakasika iny loza iny. Tsy […]
Tsy fandriampahalemana : Tafaverina ireo omby roa lasan’ny dahalo
Tafaverina tamin’ny tompony ireo omby nalain’ny dahalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilimaliniky (Toliara II), ny herinandro lasa teo. Nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny manam-pahefana sy ny kaomity mpanara-maso antsoina hoe: “Voromahery” tany an-toerana. Tsiahivina, nosakanan’ny dahalo miisa efatra mitam-piadiana ny tompon’omby iray tany Anonoky, ny 20 aogositra lasa teo. Niharan’ny fanafihana […]






