Tafaverina tamin’ny tompony ireo omby nalain’ny dahalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilimaliniky (Toliara II), ny herinandro lasa teo. Nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny manam-pahefana sy ny kaomity mpanara-maso antsoina hoe: “Voromahery” tany an-toerana. Tsiahivina, nosakanan’ny dahalo miisa efatra mitam-piadiana ny tompon’omby iray tany Anonoky, ny 20 aogositra lasa teo. Niharan’ny fanafihana […]
Other News
Ankadifotsy : Lehilahy iray tratra namaky trano
Lehilahy iray tratra teo am-pamakiana tranon’olona tetsy Ankadifotsy Antanifotsy, afakomaly tamin’ny 08 ora maraina. Nosokafan’io olon-dratsy io ny vavahadin’ny tokantrano iray ary niditra an-keriny tao anatiny izy. Nahita izany ny mponina teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony avy hatrany […]
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy efatra lavon’ny balan’ny zandary tetsy Ankazotoho
Nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny zandary miasa etsy Anosizato ny alarobia alina hifoha alakamisy teo, tetsy Ankazotoho. Jiolahy miisa efatra lavon’ny balan’ny zandary. Niaina tao anaty horohoro sy tahotra ny mponina eny Ankozotoho, kaominina Anosizato Andrefana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, afakomaly alina. Poa-basy maro no henon’izy ireo nandritra […]







