Lasa any Maurice, omaly, ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra, izay solontenan’i Madagasikara amin’ny “Ligue des champions Caf”. Handray ny Orlande Pirates, Afrika Atsimo izy ireo, mandritra ity lalao mandroso ity. Afaka roa andro, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Ligue des champions (LDC) Caf”, taranja baolina kitra. Ho an’ny […]
Other News
Fitomboan’ny filana : 25 % ireo zavamaniry fanao fanafody voatrandraka ara-dalàna
Tena ilain’ny vahoaka malagasy ny karazana zavamaniry fanao fanafody. Ampiasain’ izy ireo hatao fitsaboana sy fanefitry ny aretina sy ny olana maro mety hahazo azy izy ireny. Mampiasa zavamaniry fanao fanafody avokoa ny vahoaka maherin’ny 70 % eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy […]
FANTINA sy FINTINA
Hodinihina amin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny hidiran’i Madagasikara ao amin’ny Troïka. Ny filoha Rajoelina no ho filohan’ny Sadc amin’ny taona 2025, araka ny nambarany teny Anosy, afakomaly. Miomana handray ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana amin’izany i Madagasikara. Hisesisesy ny fivoriana an-tampony hatao eto, ary maro ireo filoham- panjakana hanao fitsidiham-panjakana. Notendren’ny […]
Razakamanantsoa Gaby Nestor : “Tsy fampitahorana ny vahoaka ny Bianco”
Tontosa ny alarobia 14 aogositra 2024 ny lanonam-pitsarana, fianianan’ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) vaovao, Razakamanantsoa Gaby Nestor. Teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy no nanatanterahana izany. Manampahefana maro sy tomponandraiki-panjakana samihafa isan’ambaratonga no tonga nanome voninahitra teny an-toerana. Anisan’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Taorian’izay, nisy […]
Tic …Tac…
Mazava iny ny resaka avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Efa andro vitsivitsy sisa andrasana amin’ny famoahana an’ilay governe…manta tsy mety masaka. Mba tsy ho manta mohaka rahateo, naka fotoana maharitraritra mihitsy ny mpiketrika nandrosoana ny afo. Efa eo am-piandrasana ny vary ho manitra ny olon-drehetra. Sasa-miadry ny mpandoatra sy ny handoarana. […]