Nihitsoka teny an-dranomasina nandritra roa andro sy roa alina ny mpanjono roa lahy navadiky ny lakana tao Nosy Be, afakomaly. Tsy nisakafo sady tsy nisotro rano ireto farany. Avotra soa aman-tsara anefa izy ireo, satria tonga nanao ny asam-pamonjena ny teo anivon’ny Tafika an-dranomasina. Naratra mafy koa ny mpitondra moto […]
Other News
Fitrandrahana ala tsy ara-dalàna : dimy lahy naiditra eny Tsiafahy
Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo mpikambana ao anatin’ny tambajotra mpitrandraka hazo sarobidy tra-tehaky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, afakomaly. Nitatitra hazo voamboana tao anaty kamiao, voasavan’ny mpitandro filaminana tampoka ka noraisim-potsiny ireo mpitrandraka. Miisa 122 ireo karazan-kazo sarobidy tsy azo trandrahana. Nahitana karazan-kazo sarobidy hafa […]
Maintirano : dahalo iray lavo, omby 56 tafaverina
Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tompon’antoka tamin’ny halatra omby tao amin’ny tanànan’i Bemokotra Anasy, kaominina Bemokotra, distrikan’i Maintirano, omaly. Nandroba omby am-polony ny dahalo nanafika tao amin’io kaominina io. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifampitifirana. Vokany, voatifitra ny dahalo iray. […]
Vono olona : lehilahy voakapa famaky teo amin’ny hatony
Nampihoron-koditra ! Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina ambanivohitr’i Fanambana distrikan’i Vohémar, afakomaly. Hita nitsilany tao anaty kirihitr’ala tsy lavitra ny tanànan’i Morafeno ny lehilahy iray 29 taona, mpamboly, efa mihosin-dra sady nahitana diam-pamaky teo amin’ny hatony. Nidina teny an-toerana nahitana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny […]
Handeha hitsabo tena : raim-pianakaviana maty voafaokan’ny Tuc tuc
Nivoaka ny trano hamonjy toeram-pitsaboana ity raim-pianakaviana, omaly. Tra-doza teny an-dalana anefa izy. Voafaokan’ny Tuc tuc ka tsy tana ny ainy. Voadona mafy ny lohany, namoy ny ainy ny lehilahy iray manodidina ny 40 taona nandritra ny lozam-piarakodia tao amin’ny Rond-point Ambohimasina, kaominina Ambatondrazaka, omaly. Anisan’ny mpandalo teny amin’ny sisin-dalana, […]