Other News

Zava-mahadomelina : 8 tapitrisa isan-taona ny maty vokatry ny fifohana sigara

Miha mahazo vahana eto amin’ny firenena ny fivarotana sigara sy paraky. Ankoatra ny sigara fahita andavanandro, maka laka tsikelikely ihany koa ny sigara elektronika. Loza ho an’ny firenena sy ny fahasalam-bahoaka nefa izy ireny. Mahatratra hatramin’ny 1,3 miliara ny olona he­verina ho mpifoka sigara maneran-tany, raha ny antontanisa farany navoakan’ […]

Base Toliara : Miisa 650 ireo nisitraka ny «Asa Tagnamaro»

Nanao hetsika goavana ny orinasa Base, tany Mangily, ny 5 sy 6 aogositra teo. Nitotaly 650 ny olona nanatanteraka « Asa Tagnamaro » tany an-toerana. Fanadiovana faobe nandraisan’ny olona mahatratra 200 anjara, tany amin’ny morontsiraka Man­gily, ary 200 hafa tany Ifaty. Nesorina ny fako plastika teny amorontsiraka. Notsipihin-dRtoa Ravaoarisoa Tahina, tomponandraikitry ny […]

Asa tanana : Maro ny manjifa ny vokatra sokitra

Anisan’ny taozavatra malagasy miavaka ny sokitra. Miha maro ny olona liana sy manjifa ny vokatra mandritra ny tsenabe « Fier-Mada 2025 » andiany faha-26, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, nanomboka ny 6 aogositra ary hifarana ny 10 aogositra 2025. Mikendry ny hampifanakaiky sy hampihaonana mivantana ny mpamokatra sy ny mpanjifa mba hampiroboroboana ny […]

« Fier Mada » : Misongadina ny vokatra malagasy

Anisan’ny hampiavaka ny « Fier Mada 2025 » ny fisian’ny fivoriamben’ny Sadc hatao eto amintsika. Ahafahana mahafantatra sahady ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana. Atao eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny 6 hatramin’ny 10 ao­gositra izao, ny Tsenabe iraisam-pirenena “Fier Mada”, andiany faha-26. Nitsidika teny an-toerana, omaly, ny Sekreteram-panjakana misahana ny […]

TARATRY ny KANTO

«Cabaret Soatoavina Malagasy», iarahana amin’i Mbola Talenta sy Ralanto. Anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, eny amin’ny Restaurant Chez Babà Isoraka. Mazava loatra fa hanjaka ny tendry gitara gasigasy sy ny vokatry ny tany mandritra ny fiarahana. Hihodidina ireo hiran’ny omaly, mandalo ireo sanganasan’izy mirahalahy, ka hatrany amin’ny […]