Other News

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 22 ny feso na « dauphin » hita faty tany amin’ny Helidranon’i Besikidy, Nosy Hara, any amin’ny distrika Antsiranana II. Nahita azy ireo voageja tanaty ala honko, ny ekipan’ny Madagascar National Parks (MNP), nandritra ny fisafoana, ny 21 jolay teo. Ahina ho mety nitsoaka ny trozona mivezivezy an-dranomasina no nahafaty azy […]

Sadc: Hitondra aina vao ny Herinandron’ny indostria

Hatao ny 28 jolay hatramin’ny 1 aogositra ho avy izao, eto Antananarivo, ny hetsika « Herinandron’ny indostrian’ny Sadc » (SIW 2025), andiany faha-8. Mahatratra 400 ny mpandray anjara, avy amin’ny firenena 16 mpikambana ao amin’ny Tsenam-paritry ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc). Ma­herin’ny 50 ny mpiara-miombon’antoka sy mpanohana. Miisa 3 000 […]

Sady madio no salama

  Raikitra izy ity! Afaka efatra herinandro dia higadona ny fihaonambe an-tampon’ny Sadc, izay hampiantranoin’i Madagasikara. Efa miha tomombana tsikelikely ny fanomanana. Anatin’ny fametrapetrahana faramparany ny komity mpikarakara. Ny mpiara-miombon’antoka raheto manao ranolava. Tsy misy diso anjara amin’ny fandraisana andraikitra ny manampahefana isan-tsokajiny. Manoloana izany indrindra, hiverina indray, manomboka izao, […]

Harena ambanin’ny tany : Liana amin’ny sehatry ny solika sy ny gazy i Indonezia

Vonona hampiasa vola eto Madagasikara ny mpandraharaha indoneziana. Andrasana ny fisokafan’ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao. Anisan’ny noraisin’ny mi­nisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny toeram-piasany Ampandrianomby, ny alatsinainy teo, ny delegasionina indoneziana. Nitarika azy ireo tamin’ity fitsidihana amin’ny fomba fanajana ity, ny filoha lefitry ny Antenimieram­pirenena indoneziana […]

TSELATRA

Nanararaotra jiro tapaka, moto 125 cc lasan’ny jiolahy tao amin’ny tokantrano iray teny Amboditsiry, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 23 jolay teo. Nopitsohin’ireo tsy valahara ny hidin’ny vavahady. Mpangalatra voasambotra taorian’ny nahitana azy tao anatin’ny horonantsary, teny Soamanandrariny, omaly. Nobatain’io lehilahy io ny bitro lehibe an’olona saingy tsy nahatsikaritra […]