Other News

Ankasina : Roa lahy maty voatifitry ny polisy

Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny jiolahy roa mitam-piadiana. Lavon’ny bala teny Ankasina, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo izy ireo. Mirongatra ny asan-jiolahy eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha sy Ankasina iny tato ho ato. Mampiasa sabatra sy fitaovam-piadiana mihitsy ireo mpanao ratsy. Nanao hetsika manokana hisorohana io tsy fandriampahalemana […]

Alakamisy Anosiala : Trano 11 tafo narodana

An-taonany maro nifandroritana teny anivon’ny fitsarana, noravan’ny vaditany ny trano miisa 11 tafo eny amin’ny kaominina Alakamisy Anosiala, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo. Nigadona vao maraina ny mpanatanteraka didy ka nitondra mpandrava ny trano tafiditra anatin’ny tany nahazoan’ny voalaza ho tompon-tany rariny. Didim-pitsarana efa nivoaka tamin’ny taona 2006 io […]

Fametavetana ankizivavy: Lehilahy naiditra amponja eny Tsiafahy

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tovolahy iray, voasambotra ny 19 jolay lasa teo. Sady mametaveta ankizivavy izy no mandrakitra izany anaty horonantsary. Misarika ireo tovovavy tanora amin’ny alalan’ny fakana sary atao amin’ny dokambarotra ity lehilahy iray nanolana zaza tsy ampy taona ity. Notanana vonjimaika eny Tsiafahy, taorian’ny fampanoavana teny […]

Ho fampivoarana ny tantsaha …: Fotoana iray ahafahan’ny mpiantsehatra mampiseho ny vokatra ny tsenabe

Ho fampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy fampiroboroboana ny famokaran’ireo tantsaha, nisy ny Tsenabe fivoarana izay atao eny Mahi­tsy, nanomboka oma­ly ka haharitra telo andro. Mpiantsehatra marobe no tonga mampiranty ny vokatra eny an-toerana. Tanterahina eny amin’ny Kianja Mahitsy ny hetsika «Tsenabe fivoarana», izay karakarain’ny solom­ba­vambahoakan’Arivonimamo, Rajerison Antoine. Tonga na­no­katra izany […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ny lalana Andranotapahina sy Ivato, ny Voie Rapide manomboka eo amin’ny Rond-Point Ivato Don Bosco hatrany amin’ny Rond-Point Andra­notapahana. Manodidina ny 4 km ity ampahany farany ity. Nampahafantarina tany Ambovombe, ny fanovana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny 22 sy 23 jolay teo. […]