Naiditra eny Tsiafahy, ny alatsinainy 21 jolay teo, ny lehilahy mpivarotra rongony mahery vaika tratra teny Ambohimangakely. Naharay loharanom-baovao momba io fisiana mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika io ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto an-dRenivohitra. Nanao vela-pandrika nahafahana nisambotra io lehilahy voatondro io ny polisy, tamin’ny 19 jolay […]
Other News
Nirefodrefotra ny basy tao Toamasina: Jiolahy efatra indray lavon’ny polisin’ny Fip
Nisento tokana indray ireo mponina ao Toamasina taorian’ny fahafatesan’ireo jiolahy efatra raindahiny, afakomaly. Teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy no nifanehatra tamin’ny polisy. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Andranomadio, Toamasina parisela 11/43, afakomaly alina, nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny Fip notarihan’ny kaomisera Lapely François, sy ireo jiolahy […]
TARATRY ny KANTO
“Manala azy vita bacc”, etsy Antsahamanitra. Anio amin’ny 6 ora hariva ilay fotoana ifanomezana isan-taona. Efa tsy ho an’ireo avy nanala fanadinana intsony, fa ho an’ireo mpankafy ny Olombelo Ricky, tao anatin’izay 34 taona nisian’ny hetsika izay. Toy ny isan-taona, hamerina ireo vanim-potoana feno fahatsiarovana eo amin’ireo mpankafy, amin’ny alalan’ireo […]
Sarimihetsika maimaimpoana : Haseho etsy amin’ny Havoria ny “Tsontsorimamba”
Haseho voalohany etsy amin’ny Havoria Anosy, ny 24 aogositra izao, ilay sarimihetsika “Tsontsorimamba”, iarahana amin’ny Vondrona dian’ny finoana – “VDFI Production-Art Movies”. “Maneho ny fiainana andavanandro sady tena nisy. Mampihomehy, manaitra nefa koa maneho ny finoana sy ny zanakolombelona”, hoy ny mpanoratra ny tantara, Rakemba. Maneho ny fanabeazana nefa koa […]
« Jazz@Tohatohabato »: Voatazona avokoa ireo seho goavana mandritra ny andiany faha-14
Hetsika fanao isan-taona ho fampitiavana sy ho fampivelarana ny tontolon’ny jazz. Ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra tahaka izao no hanatontosana izany eto an-dRenivohitr’i Madagasikara… Ny 6 aogositra ka hatramin’ny 10 aogositra no hanatanterahina, eo Analakely sy ny manodidina, ilay hetsika lehibe ho an’ny jazz. Tafiditra ao amin’ny andiany faha-14 ny « Jazz@Tohatohabato ». Voatazona […]






