Other News

VAOVAO TAMBATRA

Mirefy 8 km ny lalana tsy maintsy vita godirao, mialoha ny fivoriamben’ny Sadc hatao eto An­tananarivo amin’ny 17 aogositra ho avy izao. Io no toromarika nomen’ny minisitry ny Asa vaventy, raha nijery ifotony ny fanamboarana ny arabe migodana eny Tsarasaotra, omaly. Hampiana ny isan’ny mpiasa andro sy alina, hampiana ny […]

Fiovan’ny toetr’andro : Hiaro ny morontsiraka ny tetikasa PAZC-2

Nampahafantarina, omaly, teto Antananarivo, ny tetikasa Fiarovana ny rohivoahary any amin’ny morontsiraka eto Madagasikara (PAZC-2). Manatanteraka azy ny Birao nasionaly ny fiovan’ny toetr’andro sy ny Redd+ (BNCCREDD+), famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny firenena andalam-pandrosoana (FPMA), ao amin’ny alalan’ny Fan­daharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny tontolo iainana (PNUE). Nambaran’ny mpandrindra nasionaly […]

Korontana tany Toliara : Miverina amin’ny laoniny ny filaminana

Nanao fihetsiketsehana nataon’ny fikambanana Mazoto, ny herinandro lasa teo, nanohitra ny tetikasa Base Toliara. Niverina amin’ny laoniny ny filaminana, ary mitohy ny asa fampandrosoana. Tranga niniana natao. Nokorontanin’izy ireo ny asa fanarenana ny sekoly EPP Benetse, sy ny fanamboarana fotodafitrasa rano madio any Saririake, vatsian’ ny Fiarahamiasa japoney (Jica) ara-bola, […]

Nosy Maorisy : Nanamafy ny fitiavan-tanindrazana ireo Diaspora

Nifamotoana tao an-dRenivohitry ny nosy Maorisy ireo tanora malagasy any an-toerana “Diaspora”, ny herinandro teo. Tafiditra amin’ilay hetsika andiany faharoa iarahana amin’ny MRS Association izany. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Nahomby amin’ny ankapobeny ity hetsika “Motivational Speech” ity. Nahavory tanora maherin’ny 40 izany fihaonambe izany. Anisan’izany ireo mpianatra […]