VAOVAO TAMBATRA

Mirefy 8 km ny lalana tsy maintsy vita godirao, mialoha ny fivoriamben’ny Sadc hatao eto An­tananarivo amin’ny 17 aogositra ho avy izao. Io no toromarika nomen’ny minisitry ny Asa vaventy, raha nijery ifotony ny fanamboarana ny arabe migodana eny Tsarasaotra, omaly. Hampiana ny isan’ny mpiasa andro sy alina, hampiana ny orinasa, sns.

Miisa 50 ny tanora niofana momba ny zaitra «crochet», avy ao amin’ny Akanin’ny Marenina Ivo Hay (Akama) etsy 67 Ha. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Sambatra eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny taozavatra. Fiaraha-miasa amin’ny orinasa Lenka Madagasikara, ka hianatr’asa ao ireo tanora ary misy koa no horaisina hiasa avy hatrany.

Mitohy ny hetsika famonoam-balala any Atsimo Andrefana, Anosy, Ihorombe, ny 11 hatramin’ ny 13 jolay teo. Anisan’izany ny any Andranovory, Maromiandra, Betioky Atsimo, Amboasary Atsimo, Ihosy, Betroka, sns. Misy ny hetsika ana habakabaka sy an-tanety. Amafisina, fa tsy azo atao intsony ny mihinana valala amin’izao fotoana izao.

Partager sur: