Nampahafantarina, omaly, teto Antananarivo, ny tetikasa Fiarovana ny rohivoahary any amin’ny morontsiraka eto Madagasikara (PAZC-2). Manatanteraka azy ny Birao nasionaly ny fiovan’ny toetr’andro sy ny Redd+ (BNCCREDD+), famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny firenena andalam-pandrosoana (FPMA), ao amin’ny alalan’ny Fandaharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny tontolo iainana (PNUE).
Nambaran’ny mpandrindra nasionaly (CN) ny BNCCREDD+, Ravelomanana Lovakanto, fa andiany faharoa (Task-2) ity tetikasa ity, mandritra ny 48 volana. Hifantoka amin’ny fiarovana ny rohivoahary amoron-tsiraka, famerenana amin’ny laoniny ny ala honko mirefy 3 000 ha, sahandriaka mirefy 2 000 ha, zavamaniry 200 ha, sns. Eo koa ny fanatsarana ny velon-tena mampidi-bola ny mponina. Faritra efatra no voakasika (Boeny, Menabe, Diana, Atsimo Atsinanana), anaty kaominina 20 (5 isaky ny faritra). Mitotaly 147 000 ny mpisitraka ka mivantana ny 92 040, ary vehivavy ny 50%.
Dingana efa vita tamin’ny andiany voalohany (Task -1) ny fananganana dobo fiompiana trondro tany Manakara, ny fitahirizana sy fikarakarana ny hazandrano, ny fiarovana amin’ny loza voajanahary, sns.
Njaka A.




