Seranam-piaramanidina Ivato : Nitarina ny fikarakarana ny zotra anatiny

Nafindra eny amin’ny toerana nikarakarana ny zotra iraisam-pirenena teo aloha, ny zotra anatiny eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo, nanomboka ny 2 jolay 2025 teo. Nitarina ny velaran’ny toerana, izay lasa 1 076 m2 raha 353 m2 taloha. Ao anatin’izany ny fandraisana ny mpandeha vao tonga sy ny fikarakarana ny entana, ampiasana fitaovana maoderina. Nohalavaina, noho izany, ny fitaovana mamoaka ny entana, izay lasa 96 metatra raha 31 metatra taloha, manamora ny fikarakarana.
Mitohy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ka mbola hampiasaina vonjimaika hatramin’ ny desambra 2025 ny toerana fandraisana ny mpandeha ho an’ny zotra eto an-toerana. Mitentina 1,6 tapitrisa euros ny tetibola ampiasaina. Nilaza ny tale jeneraly ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, fa «dingana lehibe vaovao no hatao amin’izao fanavaozana ny fikarakarana ny zotra anatiny ato amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo izao. Taratry ny ezaka asehonay, hanatsarana ny tolotra ho an’ny mpandeha. Fotodrafi­trasa hampiroboroboana ny kaompania Madagascar Airli­nes. Hotohizana ny ezaka hanomezana tolotra mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena».
Raha ny antontanisa farany, ny jona 2025 teo, niisa 286 ny isan’ny zotra anatiny tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ary 286 toy izany koa ny fiaingana.

 

Njaka A.

Partager sur: