Other News

Fitantanam-panjakana : Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana amin’ny fitondrana

Tokony ho ara-drariny sy ara-dalàna mandrakariva ny fitantanam-panjakana na ny fitondrana. Amin’izay, mitoetra ary maharitra ny fahamarinan-toerana. Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana. Famakafakana… Amin’ny ankapobeny, hasina no andikan’ny Malagasy ny hoe “autorité”. “Hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin’ny fanahy na olona na zavatra […]

Ady tany : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra

Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo roa lahy nifampitomboka tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Ambalavao Ivondrona, kaominina ambanivohitra Sahambavy, distrika Lalangina, afakomaly. Nifamaly momba ny ady tany izy roa lahy. Naka angady sy fitaovana vita avy amin’ny vy ny roa tonta ka nifampikasi-tanàna. Tsy nifampitsitsy fa samy nifamely tamin’ny loha […]

Menaka tsy azo amidy eny amin’ny tsena: Takina ny fanazavan’ilay orinasa mpanondrana

Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, ny 3 jolay teo, fa tsy azo amidy eny an-tsena ny menaka sakafo, mitondra ny marika “Roots”. Noraisin’ny fitaleavan’ny Indostria sy ny varotra any Antsirabe izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny fisafoana nataon’izy ireo ny 23 jona teo, tamin’ny mpamongady iray. Hatra­min’ izao anefa, […]

Fanomanana ny Afrobasket : Hifandona amin’i Mali, Congo, Cap Vert ary Côte d’Ivoire ny Ankoay

Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny An­koay, ao anatin’ny fanomanan-tena hiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Afro­basket 2025”, izay nanomboka ny alatsinainy 7 jolay lasa teo. Ankoatra ny fampivondronana sy fanarazan-tena iraisana, lalao ara-pirahalahiana 4 no miandry ny ekipa malagasy, manomboka ny 11 jolay izao ao Frantsa. Hifandona amin’i Madagasi­kara voalohany, […]