Other News

Fampandrosoana ny kaominina : Hifampizara traikefa ny fikambanana AVCOI

“Sehatra iray nomena an’ ireo ben’ny Tanàna hifam­pizarana traikefa ny AVCOI”. Io ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Re­ni­vo­hitra, Andrianambony Na­la Clara Michel, ny amin’ny fivoriambe isan-taon’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna mitantana tanàn-dehibe aty amin’ny faritry ny ranomasimbe In­dianina (AVCOI) izay hatao eto Antananarivo, ny 8 sy 9 jolay. Nijoro […]

Depiote Ratsiraka Sophie: “Tsy azo terena ny vahoaka”

Mbola ny raharahan’ny kaominina Antanambao Maha­tsara, distrikan’i Vatomandry, faritra Atsinanana, ihany… Tsy mety milamina. “Ohatra ny hoe mampihorohoro vahoaka ny ao Vatomandry amin’izao hoe tsy maintsy handray fepetra. Nefa tsy azo terena koa ny vahoaka hanaiky ny olona tsy nofidiny. Tsy fantatra hatramin’izao izay ho vokatr’izany”, hoy ny depiote tsy […]

Minisitry ny Fitsarana : “Mipetraka ny fitokisan’ny Firenena mikambana antsika…”

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, fa niakatra avo indray ny voninahitry ny firenena. Nasongadina ny dingana vita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manamarika ny fahatokisana ananan’ny Fire­nena mikambana (ONU) an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny naha voafidy an’i Tom­bohavana Fabien ao amin’ny komitin’ny Firenena mi­kambana momba ny fiarovana […]

VAOVAO TAMBATRA

Niverina amin’ny laoniny nanomboka omaly, ny fifamoivoizana amin’ny RN5 (PK64). Vita ny fametrahana ny tetezamby vonjimaika, Pont Bailey, eo Andranotsara, any Mahambo. Tsiahivina fa vokatry ny lanja tafahoatra nentin’ny fiarabe iray no nahatonga ny fahatapahan’ity tetezana ity. Hatomboka any Toamasina ny tetikasa ViSaina, miompana amin’ny fametrahana fototra ho an’ny tanàna […]

Foara ITM-IHM: Maherin’ny 24 000 ny mpitsidika

Niavaka tsy toy ny hatramin’izay ny Foara iraisam-pirenena (ITM), andiany faha-11, sy ny ho an’ny Asa tanana (IHM), andiany faharoa, eto Madagasikara 2025 farany teo teny amin’ny CCI Ivato. Nam­baran’ny tale mpanatanteraka ny Ofisim-pirenena misahana ny Fizahantany (ONTM), Ba­rivelo Danny, fa fahombiazana tanteraka no hita, ary manamarina izany ny antontanisa. […]