Foara ITM-IHM: Maherin’ny 24 000 ny mpitsidika

Niavaka tsy toy ny hatramin’izay ny Foara iraisam-pirenena (ITM), andiany faha-11, sy ny ho an’ny Asa tanana (IHM), andiany faharoa, eto Madagasikara 2025 farany teo teny amin’ny CCI Ivato. Nam­baran’ny tale mpanatanteraka ny Ofisim-pirenena misahana ny Fizahantany (ONTM), Ba­rivelo Danny, fa fahombiazana tanteraka no hita, ary manamarina izany ny antontanisa. Nahatratra 24 389 ny mpitsidika raha 14 651 tamin’ny 2024. Nitombo ho 48 ny mpanohana sy ny mpiara-miombon’antoka raha maherin’ny 20 tamin’ny taon-dasa. Ho an’ny fampahalalam-baovao, nahatratra 80 ny lahatsoratra an-gazety, 204 ny famoahana tamin’ny televiziona, 758 tamin’ny radio. Nitotaly 1 188 669 ny nanaraka ny fampahalalana tamin’ny tambajotra sosialy, nataon’ny olo-malaza miisa 5. Nilaza ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Dewa Viviane, fa mitombo ny fanohanan’ny rehetra ny sehatry ny fizahantany sy ny asa tanana matoa nahazo ireo vokatra ireo.
Natolotra, omaly, ihany koa ny loka ho an’ireo olona miisa 21 tsara vintana, nandritra ny lalao samihafa, natao nandritra ny ITM sy ny IHM teny amin’ny CCI Ivato. Nisy tamin’izy ireo, nahazo tapakila fiaramanidina iray ho an’ny zotra Antananarivo-Ivato-Antananarivo. Eo koa ny tapakila fiaramanidina iray miainga eto Antananarivo mankany amin’ny faritra iray izay tiana, sns.

Njaka A.

Partager sur: