Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy nangalatra omby tao amin’ ny fokontany Amparihy, kaominina Ambano, distrikan’ Antsirabe II, ny 4 jolay teo. Nentin’ireo olon-dratsy nandositra ny omby tao am-bala, tamin’ny 11 ora alina. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandarimaria avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andranomanelatra. Nifandona ireo […]
Other News
Ambatofahavalo : Mpisoloky Cash Point voasambotra
Nampiasa « puce » miisa roa. Noraisim-potsiny ny lehilahy mpisoloky tao Ambatofahavalo, distrikan’Atsimondrano, ny 4 jolay teo. Nilaza haka vola amin’ny alalan’ny finday tao amin’ny Cash Point io lehilahy io. Nampiasa teti-dratsy anefa izy. Noraiketiny anatin’ny findainy anatin’ny “puce” hafa ny hafatra miafina toy ny avy amin’ilay tambajotra hangalany ny vola. Voasoratra anatin’io hafatra […]
Nahatrarana grenady sy basy : Roa lahy naiditra eny Tsiafahy
Mpidoroka rongony mahery vaika, “Métamphétamine”, sady mpihazona fitaovam-piadiana mahery vaika niara-naiditra eny Tsiafahy, ny alakamisy 3 jolay teo. Niakatra fampanoavana ny alakamisy 3 jolay teo, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo roa lahy nahatrarana fitaovam-piadiana teny Atsimondrano. Naharay angom-baovao ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Nosavaina ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nanotrona ny fankalazana ny faha-23 taonan’ny antoko Tim ny avy amin’ny HVM. Nisolo tena azy ireo ny sekretera jeneraly, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa potika tanteraka ireo seha-pihariana rehetra ka mila fanarenana sy fanovana. Nisy ny fahanginana iray minitra ho an’ireo maty noho ny fahapoizinana sy ny any Ikongo, tetsy […]
TGV Mahajanga : Manamafy ny firaisankinany ny antoko
Notontosaina ny sabotsy teo, tany Mahajanga, ny fivorian’ireo mpikambana amin’ ny antoko politika Tanora mala Gasy Vonona (TGV). Tanjon’ity fampivoriana ity, tany an-toerana, ny hanaovana fanavaozana sy fanamafisana indray ny antoko. Eo koa ny fanamafisana ny fahavononana eo amin’ny fampandrosoana ny faritra any an-toerana, araka ny baiko efa napetraky ny […]






