Other News

Fakan-kevitra

Andrasana fatratra amin’izao ny fakan-kevitra amin’ny fikaonandom-pirenena. Misy ny efa tsindrin-daona fatratra, ao ny vonona dia vonona… Teo rahateo ireo nahavita fikaonandoha ho azy manokana, na isan-tsehatra na sokajy. Hanao ahoana? Tsy ilaozan’izay ahiahy tsy ihavanana: rahoviana marina no hanomboka, ahoana ny fandaminana, ny fomba fiasa… ? Tsy moramora na […]

Hetsika Rohy “Mahaela ny vahaolana ny fahataran’ny fikaonandoha”

“Mety mahataraika ny vahaolana ny fiandrasana na fahataran’ny fanombohan’ny fikaonandoham-pirenena sy ny paikady hametrahana azy ho amin’ny fanavaozana andrandrain’ny maro amin’ny fitantanam-pirenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny tale mpanatanteraky ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, teny Ambatonakanga ny faran’ny herinandro teo. Rehefa anontaniana, ohatra, ny tokony handravana an’ireo rafitra tsy mahomby amin’ny […]

Fikaonandoham-pirenena: hanara-maso ny fampiharana ny fehinkevitra ny FFKM

Efa manangasanga. Nambaran’ny minisitry ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra fa efa mizara avokoa ny andraikitra amin’ny hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. «Hiandraikitra ny fanangonan-kevitra sy ny fanaraha-maso ary ny fampiharana ny fehinkevitry ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM», hoy izy. Hatao eto Antananarivo ny fampahafantarana ny fehinkevitra tapaka rehetra. Tombanan’ny mpikarakara fa hovitaina, […]

Fifampikasohan’ny herinaratra: trano roa kilan’ny afo tetsy Namontana

Kila hotohoton’ny afo ny trano lehibe miisa roa teny Na­­montana sy Mandrangom­bato, ny sabotsy 20 jona lasa teo.  Niezaka nihatrana ara-potoana taorian’ny fahazoana loharanom-baovao ara-potoana ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina tamin’ireo fotoana nitrangan’ny fahamaizana ireo.  Niredareda voalohany ny afo tao amin’ny to­kantrano iray tao Mandran­gom­bato II, ny harivan’ny sa­botsy lasa […]