Efa manangasanga. Nambaran’ny minisitry ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra fa efa mizara avokoa ny andraikitra amin’ny hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena.
«Hiandraikitra ny fanangonan-kevitra sy ny fanaraha-maso ary ny fampiharana ny fehinkevitry ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM», hoy izy. Hatao eto Antananarivo ny fampahafantarana ny fehinkevitra tapaka rehetra. Tombanan’ny mpikarakara fa hovitaina, mialoha ny farany taona izany, araka ny tetiandro efa nofaritana sy natolotra ny eo anivon’ny Sadc ny volana febroary teo.
Ankoatra izany, nambaran’ny minisitra fa hiantso ireo manampahaizana hanampy amin’ny fandraisana sy ny fandrafetana ny fehinkevitra amin’ireo fikaonandoha manomboka, hatreny ifotony ny fitondram-panjakana. «Anisan’ny masontsivana nifantenana azy ireo ny fahaiza-manao sy ny traikefa ka andraikitra hosahaniny ny famaritana ireo hevitra lehibe hampiharina eto amin’ny firenena», hoy ihany izy. Natao hanampy sy ho mpiara-miasa amin’ny solontenan’ny komity mpitantana ny fikaonandoham-pirenena izy ireo.
Ho tompon’ny teny farany ny vahoaka
Hiara-kiasa amin’ny avy eo anivon’ny minisitera sy ny avy amin’ny Primatiora. Anisan’ny andraikitr’izy ireo ny hanivana sy handrafitra ireo fehinkevitra farany, voaray aorian’ny fikaonandoha. «Tsy maintsy mandalo sivana ireo sosokevitra satria mety ho maro amin’izy ireny no tora-po fotsiny ihany ka hanahirana ny hamadika izany ho fehinkevitra mazava hotapahina sy hankatoavina», hoy ihany izy. Nanterin’ny ministry ny Fanavaozana hatrany fa ho tompon’ny teny farany hatrany ny vahoaka amin’izao fikaonandoham-pirenena izao. Mbola hajoro rahateo ny arofanina rehetra ka anisan’ny hiandraikitra izany ireo mpikambana eo anivon’ny komity mpitantana ny fikaonandoha. Tsy ho ela ny hampahafantarana azy ireo, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra farany teo.
Synèse R.




