Hany orinasa tokana, mamokatra simenitra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, ny Alpha Ciment ao Ibity Vakinankaratra. Feno 75 taona ankehitriny ny orinasa. Notsiahivin’i Vincent Blanchet, tale jeneraly, nandritra ny fitsidihana nataon’ny mpanao gazety, tany an-toerana, ny herinandro lasa teo, fa ny taona 1950 no niforonany. Nisahana famoronana fitaovana toy […]
Other News
Kick-boxing: hatao amin’ny oktobra ny X-Trême Combat
Nahomby ny fifaninanana “Combat Avenir V”, taranja kick-boxing, notanterahina teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady 22 jona lasa teo. Ady 145 no nitranga nandritra izany izay tena niady avokoa, raha ny nambaran’ny filohan’ny klioba mpikarakara, ny Lion Force, i Boto Gilbert. “Feno hipoka ihany koa teny an-toerana tamin’io andro […]
Fampiadiana akoho: “Festival Ako Akoho”- Donabe III
Hotanterahina ny 28 jona sy ny 5 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha, ny hetsika “Festival Ako Akoho”. “Dona be andiany fahatelo”, amin’ny resaka fampiadiana akoho. Ny 6 jolay ho avy izao, hitohy eny amin’ny Gymnase Besarety, ny famaranana an’izany. Nambaran’ny filohan’ny Ako Akoho, Harim Andriamahaleo, fa […]
Rakotomalala Marcel: «Tsy mbola nisy Makis tsy nifaninana izany»
Nioty vokatra tsara ary nampakatra avo ny lazan’ny baolina lavalava indray ny Makis de Madagascar. Voahosotra ho tompondaka lefitra aty Afrika ary nahazo ny tapakila hiatrehana ny «Circuits mondiaux 2026». Nanambara ny zava-misy Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Gazety Taratra (*): Ny vokatra azon’ny Makis tatsy Maurice ve afaka hilazana […]
Tarika Reko Band: hiseho ao amin’ny FJKM Ambavahaditokana
Ho fiderana an’Andriamanitra noho ny fahasoavana narotsany, mikarakara fampisehoana iarahana amin’ny tarika Reko Band ny sampana Mpanazava sy Tily ao amin’ny FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy, ny alahady 29 jona izao amin’ny 3 ora tolakandro. Hatao ao an-toerana ihany izany. Hoentina hanohanana ny fikambanana sy hanefana ny adidy masina iantsorohan’izy ireo […]






