Hany orinasa tokana, mamokatra simenitra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, ny Alpha Ciment ao Ibity Vakinankaratra. Feno 75 taona ankehitriny ny orinasa. Notsiahivin’i Vincent Blanchet, tale jeneraly, nandritra ny fitsidihana nataon’ny mpanao gazety, tany an-toerana, ny herinandro lasa teo, fa ny taona 1950 no niforonany. Nisahana famoronana fitaovana toy ny fantsika sy famarotana fanitso, tamin’izany. 1985 vao nivadika ho mpamokatra simenitra. Niova hatrany ny anarany ka Holcim avy eo Cementis ary Alpha Ciment ankehitriny.
Tsy maharaka ny tinady ny tolotra. Taona 2024, tsy nisy afa-tsy 45 % eo amin’ny tsena ny vokatra, izay tsy mahenika ny faritra 22. Manampy ny ao Ibity, ny any Toamasina sy Tanjombato. “Hisokatra bebe kokoa ny tsena, amin’ny fampitomboana ny vokatra izay hisy fiantraikany amin’ny vidiny”, hoy i Vincent Blanchet. Efatra ny sokajin-tsimenitra vokariny, ny Lova, Manda, Lafatra, Orimbato.
Amin’izao fotoana izao, noho ny fanatsarana niakatra avo telo heny ny vokatra ka hahazoana 1 800 000 taonina isan-taona. Ankoatra ny famokarana simenitra, misehatra amin’ny lafiny sosialy koa ny orinasa ka manampy ireo mponina ao Ibity, toy ny fanaovana tanàna maharitra miisa 20 sy famatsiana fitaovana ho an’ny Lycée sy CEG ary fanomezana loka ireo mpianatra mendrika indrindra, isaky ny faran’ny taom-pianarana.
Torcelin




