Nitolefika nanoloana ny Leopards-n’i RD Congo ny Barea de Madagascar, nandritra ny lalao fihantsiana natao tany Orleans France, ny alahady lasa teo. Niondrika tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Malagasy. Vokatra, nandiso fanantenana ny mpankafy baolina kitra teto Madagasikara. Nosahiranin’ny Kongole ny mpilalao malagasy. Nanantombo teo amin’ny famezivezena ny […]
Other News
Cosafa Cup: Nahazo isa 4 ny Barea fa tsy mbola tafita
Mitarika vonjimaika ny Barea de Madagascar, ao amin’ny vondrona “C” eo amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup”. Fandresena iray nanoloana an’i Tanzanie ary ady sahala tamin’i Eswantini, ny vokatra azon’ny Malagasy saingy tsy mbola tafita fa hiankina amin’ny andro farany vao ho fantatra izay hanohy ny dia. Teo ho eo ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Nidona tamin’ny haran-dranomasina ny sambo mpitatitra entana Amory, teo am-pidirana ny helodranon’i Diego Suarez, akaikin’ny ranomasina Emeraude, ny alahady 8 jona teo. Tsy natahorana ilay sambo, satria tsy nisy rano tafiditra tao anatiny, sady tsy nahitana soritra simba tety ivelany. Voalaza fa olana ara-teknika no nitranga nandritra ny fidirana tao […]
Indostria: Nampiditra 18 miliara Ar ho an’ny fanjakana ny Star
Orinasa manana ny lanjany sy ny toerany eo amin’ny sehatry ny indostria eto amintsika ny Star. Fanalahidin’ny fampandrosoana maharitra ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Manana petra-bola ao amin’ny orinasa Star ny fanjakana malagasy sady mandoa hetra. Nitondra tombony 18 442 780 000 Ar ho an’ny kitapombolam-panjakana ity orinasa […]
Harena an-kibon’ny tany: Tafiditra ao anaty MSP i Madagasikara
Manana harena ambanin’ny tany maro, sokajiana ho saro-pady i Madagasikara. Tena ilain’ny tsena iraisam-pirenena izy ireny, izay tokony havadika mba hitondra harena. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 4 jona teo, ny hidiran’i Madagasikara ao anatin’ny Minerals Security Partnership (MSP) Forum. Ivondronan’ny firenena mpamokatra harena ambanin’ny tany saro-pady ity vovonana ity. […]






