Other News

“PFL”- Baolina nolavin’ny mpitsara : Nametraka fitarainana any amin’ny FMF ny AS Fanalamanga

Tsy manaiky ny fandavan’ny mpitsara ny baolina matiny nandritra ny fihaonany tamin’ny CFFA ny AS Fanalamanga. Araka izany, nitondra ny raharaha eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra izy ireo. Takiny ny hanekena ny baolina maty ka handreseny 2 no ho 0. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny tomponandraikitry ny […]

TARATRY ny KANTO

«Loko iray». Ity ilay fampisehoana anisan’ny andrasan’ny maro amin’ity faran’ny herinandro ity. Ny alahady 8 jona, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina no hifandimby an-tsehatra ry Njara Marcel, Johanne, Nate Tex, Aya ary i Nampoina. Hisy fampiaraham-peo maromaro, araka izany, homanin’ireto mpanakanto ireto, hanehoana ilay lohahevitra. Fankalazana ny fiverenan’ny […]

FJKM Amparibe Famonjena : Vahinin’ny RFF ny Anjomaran’ny fitiavana Toamasina

Toy ny fanaony isan-taona, rehefa volana jona tahaka izao, manatanteraka ny vavaka ho an’ny tanindrazana sy ireo mpanala fanadinana ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF) eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena. Tontosaina ao anatin’ny teny filamatra: “Zanahary ô! Tahio ny tanindrazanay”. Fiarahan’ny vavaka sy ny zavakanto, hotanterahina ao an-toerana, ny alarobia […]

« Festival Sabôtsibe » : Hanasongadinana ny omby

Manana ny hetsika ara-kolontsaina mampiavaka azy koa i Mandritsara. Hiditra amin’ny andiany faha-3 ny « Festival Sabôtsibe », izay hotontosaina ny 13 hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Nalaina tamin’ny anaran’ny tsenan’omby Sabôtsibe isaky ny tapa-bolana ao Mandritsara ny anaran’ny hetsika, satria hanasongadinana ny omby gasy no tena tanjona amin’izany. […]