Other News
Filohan’ny Antenimierampirenena: “Hanatsarana ny asan’ny parlemanta ny IA”
Nifarana afakomaly, tatsy Zimbaboe, ny atrikasa «Fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA)», ho fampivoarana ny fizotran’ny asan’ny parlemanta. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin. Nasongadiny tamin’izany fa hojerena ny fomba mahomby sy hanatrarana ny tanjona eo anivon’ny SADC amin’ny traikefa, fanamby ary fahafahana amin’ny fampiasana ny IA ho fanatsarana ny […]
Fasimainty: Tsy niantraika tamin’ny fahasalamana ny andrana
Tsy ahina amin’ny fahasalamana ny fitrandrahana ambanin’ny tany. Manamarina izany ny géologue Valiarimanana Jean-Pascal. Niasa tamin’ny sehatra ambanin’ny tany efa maherin’ny 20 taona i Valiarimanana Jean-Pascal. Manampahaizana amin’ny jeolojia sy ny harena an-kibon’ny tany. Nivoaka teny amin’ny oniversite Vontovorona, sady manana diplaoma MBA amerikanina. Mitazona andraikitra any amin’ny orinasa mitrandraka […]
VAOVAO TAMBATRA
Tohizana ny famatsiana solika ho tahiry ho an’ny orinasa Jirama hiantohana ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo. Efa ho iray volana izao no miaina anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny ny mponina. Mitombo isan’andro ihany koa ny faharetan’ny delestazy raha toa ka voalaza fa ho ora roa isan’andro izany. Ankehitriny, mananika ny ora enina […]
Tetikasa fihariana: Mitety faritra mampahafantatra ny fandraharahana
Napetraky ny fanjakana hanohanana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fihariana. Nanomboka ny taona 2019, nahatratra 87 000 ny nahazo tohana taminy, manerana ny faritra 23, nahazo famatsiam-bola mitentina 199 miliara Ar. Disitrika 4 (Sambava, Antalaha, Andapa, Vohemar) any Sava, no nandehanan’ny ekipan’ny Fihariana ny 20-24 mey teo. Nohainoina ny filan’ny mpandraharaha, […]






