Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny fivoriana namintina ny asa vita tamin’ny fanovana ho niomerika ireo antontan-taratasy kirakiraina eny anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany “Cirdoma” sy ny fandrefesan-tany “Cirtopo”. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Produir ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Nanaovana tombana tamin’izany ny asa vita amin’ireo sampandraharaha rehetra eo anivon’ny fananan-tany. Voaresaka tamin’izao […]
Other News
Fanatsarana ny fifidianana: Hiroso amin’ny fampiasana ny « biométrique » ny Ceni
Hohatsaraina ny zotram-pifidianana. Noraisin’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, ny solontena maharitry ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud), ny Dr Edward A. Christow. Nivoitra tamin’izany fihaonana izany ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tafiditra ao anatin’izany ny […]
Ralambomahay Toavina : “Politika ihany no ahazoana manova ny firenena”
Mihamahazo vahana ny hoe tsy miankina na mahaleo tena eo amin’ny tontolo politika amin’izao. Aiza ny mpanao politika? Na ny fanaovana politika… Maneho ny fijeriny ny mpitahiry volan’ny antoko Humaniste et écologiste sady filoha lefitry ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ralambomahay Toavina”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fanaovana […]
« Carte blanche » : Fampirantiana kanto malala-dohahevitra
Mpanakanto 10, karazan-kanto 10. Nosafidian’ny fikambanana Artistes Malgaches hitondra ny kanto marolafy mandritra ny fampirantiana « Carte blanche », hotontosaina eny amin’ny Maison sociale des arts Ambatovinaky izy ireo, ny 14 hatramin’ny 28 jona ho avy izao. Sandrine Andria (mpikirakira lamba), Ampelagie (mpaka sary), Mendrika Ratsima (mpanakanto marolafy), Beool Natsangananahary (mpanao hosodoko), […]
TARATRY ny KANTO
Hiverina indray ny hiragasy goavambe, ao amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha. Hifanandrina, ny alahady 15 jona ho avy izao, ry Randrianasolo Betsileo Zanany sy Ramaroson Amparimanga. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ka mandra-paharivan’ny andro toy ny mahazatra izany. Hivoaka ny zoma 13 jona izao ny « Raolombelona ». Fampiaraham-peon’i Tongue Nat sy Mashmanjaka […]






