Other News

Morarano Antongona : Fasana 3 indray vaky

Mirongatra ny vaky fasana any amin’ny kaominina Morarano Antongona, distrika Arivonimamo. Fasana miisa telo no indray nisy namaky, ny alin’ny zoma 23 mey teo. Lasan’ireo jiolahy ny taolambalo rehetra tao amin’ny voalohany, afa-tsy ny razana telo mbola tsy maina tsara. Razana iray ihany koa sisa no tsy lasan’ireo tsy mataho-tody […]

“Dubaï Business Forum”:  Ambohi-pihaonan’ ireo mpandraharaha

Tanterahina any Dubaï, manomboka anio hatramin’ny 28 mey 2025 izao, ny fihaonambe ara-toekarena « Madagascar – Dubaï Business Forum ». Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha goavana eo amin’ny sehatra tsy miankina, Emirati sy Malagasy, any an-toerana mandritra izany. Handray anjara amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Izy izay hametraka ho laharam-pahamehana ny tontolon’ny fandraharahana, ny […]

Toliara: Tanora mandahatra ny hoaviny

Manana ny lanjany eo amin’ny fampandrosoana ny tanora. Nisy ny fanofanana azy ireo tany Toliara mba hahay andray andraikitra sy mitantana, handaminany ny hoaviny. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Toliara ny « Youth con­nekt Madagascar » na tanora mandahatra ny hoaviny. Manohana azy ireo amin’izany ny fandaharanasa Fiha­riana, ny Pnud, ny UNFPA, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafiditra ao anatin’ny firenena tsara tsidihina i Madagasikara, araka ny lisitra navoakan’ny gazety boky Wanderlust Travel Magazine. Mahe­rin’ny 250 ny tetikasa notsarain’ny mpitsara manam-pahaizana amin’ ny fizahantany maharitra, ka anisan’ireo firenena 7 aty Afrika i Madagasikara. Ny tetikasa Kivalo Soa Honko no naroson’ny ONTM, miaraka amin’ny WWF sy ny Miara­kap, […]

IECD: Natsangana ny vovonana Tambatra

Nampahafantarina ny 23 mey teo ny vovonana Tam­ba­tra, ao amin’ny Ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana (IECD) eny Ambatoroka. Fia­raha-miasa amin’ny fikambanana Promes, manohana ny mpianatra manana bakalorea, sahirana amin’ny fianarana ambony ataony sy ny fianarana arakasa. Tafahaona nandritra io fotoana io, ny solontenan’ny orinasa eto Analamanga sy […]