Nanomboka omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny “IHF Trophy”, taranja handball, sokajy zandriny U17 sy U19, ho an’ny faritra faha-7. Lalao roa ihany no tontosa raha efatra no voalahatra. Antony, tsy tonga tamin’ny ora farany i Tchad, izay tokony ho nifandona tamin’ny Akio de […]
Other News
Fibatana fonjamby: Tapa-kevitra ny hijanona i Tojo
Ofisialy! Tsy ho anisan’ny atleta eo amin’ny taranja fibatana fonjamby intsony Andriantsitohaina Tojo, Malagasy mpibata fonjamby. Nambarany, omaly, fa hijanona izy ary hanome sehatra ireo taninketsan’ity taranja ity amin’izay. Fotoana izao, hoy i Tojo, hanomezana ny fanalahidy ho an’ireo zandry, mba hahafahan’izy ireo mamaritra ny hoaviny. “Maro ny zava-bita fa […]
Beach Soccer – « Festival Mazavaloha »: Atao hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Barea
Raha somary natoritory ny taranja beach soccer, hofohazina amin’ny alalan’ny “Festival Mazavaloha” indray. Hitovy amin’ny fifaninanam-pirenena mihitsy satria hitiliana ireo izay handrafitra ny Barea de Madagascar. Hiara-dalana amin’izany ny fiofanana ho an’ny mpanazatra. Hotanterahina any Mahajanga, ny 3 hatramin’ny 9 jona ho avy izao, ny “Festival Mazavaloha”, taranja beach soccer […]
TARATRY ny KANTO
Volana jona, « Volan’ny ankizy ». Na ankalazaina isan-taona aza io volana io, maro ny fitakiana ataon’ny ankizy malagasy manana endrika fampirisihana avy any ivelany. « Omeo anay ny zoanay », « aza kapohina intsony izahay »… Raha ny fifamatorana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny fanabeazan’ny Malagasy ny zanany, tsy tokony hipoitra akory […]
Fampahafantarana ny boky « Fandrotrarana »: Sokafana ny faha-25 taonan’ny Havàtsa-Upem
Tontosaina anio tolakandro, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fanokafana ny faha-25 taonan’ny Sampana Havàtsa-Upem Arivonimamo. Ny fampahafantarana ny boky «Fandrotrarana» no vontoatin’ny fandaharam-potoana amin’izany. Hisy ihany koa ny fiantsana tononkalo sy dinika iarahan’ny mpanatrika sy ny mpikarakara. Raha tsiahivina, mirakitra amboara tononkalo ity boky ity. Tononkalo mahatratra 80 […]






