Other News

Kung fu – 45 Taona : Hifanakalo ara-teknika any Maorisy ny Malagasy

Feno 45 taona amin’ity taona ity ny nitsanganan’ny Kung fu Malagasy. Efa nanomboka ny janoary 2025 no nanokafana izany fankalazana izany ary tamin’ny alalan’ny fitetezam-paritra teknika no nisantarana azy. Ankoatra izay, nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Kung fu, Grand Maître Avoko, fa ho feno sy hiavaka tanteraka ny fankalazana. Nanamafy izany […]

“IHF Trophy Zone VII” : Anisan’ireo hifaninana i Tchad

Afaka 4 andro, hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra faha-7, taranja handball, sokajy zandriny vehivavy, i Madagasikara na ny “IHF Trophy 2025”. Tafiditra ao anatin’ireo firenena mifaninana i Tchad. Firenena 5 izany no hiady ho lohany. Hotanterahina etsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, manomboka ny talata 27 ha­tramin’ny sabotsy […]

TSELATRA

Renim-pianakavina iray manana fahasemba­nana no maty an-drano teny amoron-dranomasina, tany Mahajanga, omaly. Nisaika teo amin’ny Bord de la mer akaikin’ny Chambre de commerce izy. Olona nilomano teny amin’ny manodidina no nahita azy ka nampiakatra ny razana. Efa nalefa eny amin’ny tranom-paty an’ny hopitaly Androva ny razana. Nahitam-bokatra ny hetsika manokana […]

Anosizato Atsinanana I : Zaza menavava narian-dreniny

Narian-dreniny niaraka tamin’ny taratasy ny zaza menavava iray teny Anosizato Atsinanana I, omaly tolakandro. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra zazakely ni­fonofono tao anaty lamba. Nosorotan’ny renin’ny zaza tao anatin’ny taratasy fa sahirana izy. Tsy ho sambatra mihitsy ny zanany raha toa ka hiaraka hatory an-dalana aminy. Nangataka amin’ny olona mba […]