« Iray volan’ny teny malagasy ». Ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Faritany Fikambanan’ny mpikabary malagasy eto Antananarivo. Hanatanteraka diabe hanodidina ny farihin’Anosy, ho fanokafana ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », ireo mpikambana, ny 7 jona manomboka amin’ny 9 ora maraina. Ny tolakandro kosa, hisy ny lanonana fianianan’ny filohan-tsampana sy fandraisana […]
Other News
Faha-100 taonan’i Randja Zanamihoatra: Kasaina hampahafantarina ireo asa sorany tsy mbola nivoaka
28 taona taorian’ny nahafatesany, mbola maro ireo asa soratr’i Randja Zanamihoatra no tsy fantatry ny besinimaro. Kasaina havoaka izy ireny, mandritra ity fankalazana ity. “Eny ho’aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana! Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana! Tsy hanozona ny Ntaolo n’inona n’inona natao Saingy masina ny sata izay […]
FANTINA sy FINTINA
Feno zato andro, omaly, ny nitantanan’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambonivohitra Mahanoro, faritra Atsinanana, Randriantsarafara Elio. Nifanarahana tamin’ny vahoaka tamin’ny fampielezan-kevitra ny fanaovana tatitra isaky ny zato andro. Koa nisy ny fifanakalozana ny ezaka vita sy ny mbola hatao amin’ny zato andro manaraka: ny fanatsarana tsena, ohatra. Hetahetan’ny mponina amin’ny fokontany […]
Rabary Paul : “Hita eo amin’ny sehatra politika ny fampiasana herisetra”
“Amin’ny ankapobeny, zatra mampiasa herisetra hahazoana mamaha olana… Na eo amin’ny fitaizana ankizy mbola kely izany, na eo amin’ny fifampiresahana ao an-tokantrano, na eo amin’ny disadisa eo amin’ny fiarahamonina… “. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Ny Fireneko sady mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, manoloana ny firongatry ny fanaovana herisetra etsy […]
Mila mihenjana
Aleo aloha mba hiresaka fanabeazana ny kilonga indray isika, anio. Niparitaka be tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny mpianatra vao herotrerony manao firaisana ankalamanjana. Nanaparitaka izany hatramin’ny kaomandin’ny zandary avy amin’ny vondrom-paritra Antananarivo. Na ny mpanao gazety naka ny sary aza mbola nidonaka, mialoha ny sintona lakolosy. Miantefa amin’ny sokajin’olona maromaro […]






