Other News

Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina : Vonona ny hifanampy ny firenena mpikambana

Nifarana tao anatin’ny firahalahiana ny fihaonambe fahadimin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka fa hamafisina ny fiaraha-miasan’ny mpikambana. Nizotra tamim-pilaminana, vita hatramin’ny farany ny fihaonambe an-tampony teo amin’ny firenena mikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka nandritra ny dinika fa hamafisina ny fiaraha-miasa aty amin’ny faritra indrindra. Toraka izany ny fiaraha-miasa amin’ny […]

Hazakazaka bisikileta: Mpanazatra 14 nahavita fiofanana

Nifarana tamin’ny sabotsy 19 avrily 2025, tetsy Ivandry, ny fampiofanana ireo teknisiana miisa 14 mianadahy, 12 lahy sy roa vavy, izay milofo amin’ny taranja bisikileta. Araka ny fanadihadiana na­tao, haazo ny marim-pahaizana faharoa izay hita fa mendrika tamin’ity fiofanana ity. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana, havoakan’ny Fe­derasionina Iraisam-pirenena UCI […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, ny afakomaly, lasa mpilaravinahitra any amin’ny nosy rahavavy La Réunion, i Jean Yves. Ny klioban’ny AS Marsouins no naka an’ity loharana malagasy ity. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nahazoan’ny Barea ny medaly alimo tamin’ny Chan 2022 teo, i Jean Yves. Nisaraka ady sahala 5 […]

Rugby U18 – AROI 2025 : Nanao pao-droa ny Makis

Mbola noporofoin’ny Makis de Madgascar fa mpanjakan’ny rugby eto amin’ny ranomasimbe Indianina izy ireo. Norombahin’izy ireo avokoa mantsy ny amboara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi), sokajy U18 lahy sy vavy. Fihaonana, natao tetsy amin’ny kianja Andohatapenaka ny alatsinainy 21 avrily lasa teo. Teo amin’ny sokajy vehivavy, […]

Federasionina afrikanin’ny fonjamby : Voafidy ho filoha lefitra Randriamanarivo Jean Alex

Notontosaina ny 22 avrily lasa teo, tany Maorisy, ny fivoriambe sy fifidianana teo anivon’ny federasionina afrikanina taranja fibatana fonjamby. Voafidy ho filoha lefitra Randriamanarivo Harinelina Jean Alex. Randriamanarivo Harine­lina Jean Alex, izay filohan’ny federasionina malagasin’ny fibatana fonjamby no voafidy ho filoha lefitra eo anivon’ny federasionina afrikanina ny taranja Weigh­tlifting na […]