Other News

Tahirim-bola ho an’ny lalana: Ifantohana ny teknolojia sy ny fiara elektrika

Mivory eto Antananarivo, omaly, 14 hatramin’ny 16 avrily ny vaomiera momba ny Tahirim-bola ho an’ny lalana na « Fonds routier » (FR) aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (ASAFG). Ao anatin’izany i Angola, Lesotho, Malawi, Mozambika, Namibia, Zam­bia, Zimbabwe ary Madaga­sikara. Lohahevitra nodinihina ny « ho avin’ny fikojakojana ny lalam-pirenena amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao […]

Loka Pierre Castel: Hifantohana ny fam­bolena sy fiompiana

Nisokatra omaly, 14 avrily, hatramin’ny 30 mey ny fifaninanana ho an’ny Loka Pierre Castel 2025. Hiompana amin’ny fanavaozana sy fampiasana ny teknolojia amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ny fifaninanana, sady mitsinjo ny tontolo iainana. Natao ho an’ny tanora mpandraharaha, malagasy 18 hatramin’ny 45 taona, mipetraka eto Madagasikara izy ity. […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: Hatao foibe famokarana masomboly vary safiotra ny any Antalaha

Tsy hisy intsony ny fanafarana vary avy any ivelany. Ho tanteraka izany amin’ny famokarana masomboly vary safiotra eto an-toerana, iarahana amin’i Sina. Nidina tany Antalaha ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleo­van­tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny 11 avrily teo. Tao anatin’ny delegasionina ihany koa ny teknisianina avy any Chine, manam-pahaizana […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray 52 taona maty nilatsaham-potaka tany Bemasoandro, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, ny alahady lasa teo. Teny an-dalana hamonjy fodiana izy io, niaraka tamin’ny olona telo hafa. Nandroaka omby efatra izy ireo no nirefotra tampoka ny varatra ka niantefa taminy. Tsy nisy naninona kosa ireo omby. Lehilahy roa nosamborin’ny Polisy […]

Saika handroba volam-piangonana: Vehivavy novonoina, roa lahy voasambotra

Voasambotra ireo jiolahy namono vehivavy iray teny Ambatolampy Tsimahafotsy izay nikasa hangalatra ny volam-piangonana. Novo­noina ny tompon-trano rehefa tsy nahazo ny volabe izy ireo, ny alin’ny 31 marsa hifoha 1 avrily lasa teo. Hiakatra fitsarana, anio, ilay mpiambina namono ny mpampiasa azy sady nan­droba ny entana sarobidy tao amin’ny fokontany […]