Nambaran’ny Federasionina malagasin’ny handball, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, fa hahemotra amin’ ny fialantsasatra lehibe ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny. Tsy nanambara ny anton’ity fanemorana ity izy ireo. Raha tsiahivina, tokony hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 27 avrily ho avy izao izany ary ny ligin’i Bongolava no voatondro hampiantrano azy. […]
Other News
Manampahaizan’ny Caf : Hitsirika ny bozaka etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina
Nigadona teny Ivato, afakomaly alina, ny manampahaizana amin’ny resaka bozaka, avy amin’ny Caf. Nafaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, manokana. Hiala nenina! Tsy kivy mitady vahaolana ho an’ ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FMF, […]
55 taona ny Eau vive : Mamokatra rano fisotro 110 000 isan’andro
Rano fisotro madio anaty tavoahangy voalohany eto Madagasikara ny marika Eau vive. Niforona tamin’ny taona 1970 ny orinasa Société d’exploitation des sources d’eaux minérales d’Andranovelona (Sema), ao anatin’ny Vondrona Star. Tsy nitsahatra nivoatra manaraka ny toetrandro nandritra izay 55 taona izay ny orinasa. Vokatra azo antoka satria hentitra ny fanaraha-maso, […]
Ho fiarovana ny tontolo iainana : Tsara ny mampiasa lafaoro mandeha amin’ny herin’ny masoandro
Ao anatin’ny vanim-potoana fiarovana ny tontolo iainana tanteraka ny Malagasy, amin’izao fotoana izao. Mba hitsinjovana ny tanora, nanapa-kevitra Andriandraina Jean Pierrot sy ireo namany, hamorona lafaoro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Anisan’ireo fitaovana miavaka kely, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenen’ny tany miteny frantsay, « Frankofonia », izay natao teny Ankorondrano, ny volana […]
«Youth Connekt Africa 2025»: Andrasana ny fanaovan-tsonia ofisialy
Nigadona afakomaly tolakandro, tetsy Ivato, ny delegasionina avy any Kigali Rwanda, izay manomana ny fihaonamben’ny tanora afrikanina na ny «Youth Connekt Africa Summit 2025». Hatao eto Madagasikara, ny 26 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao ny hetsika. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Novotel ny fanaovan-tsonia ny […]






