Other News

Fondation Maarif de Turquie: Hampahafantatra ny tontolon’ny asa

Tanterahina mandritra ny telo andro, ny 2 ka hatramin’ny 4 avrily, eny amin’ny Ecoles internationales Maarif-Madagascar, Talatamaty, ny «Salon de l’orientation» andiany voalohany. Hetsika hampahafantarana sy hanomezana torolalana momba ny sehatrasa miandry ireo mpianatra aorian’ny fianarana ataony. Misokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra ny hetsika izay hanasana ireo mpianatra avy amin’ny […]

Andron’ny zandarimaria : Nomarihina tamin’ny fanolorana medaly ho an’ny zandary sy sivily

Notontosaina omaly, tao amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary, ny Andron’ny zandarimariam-pirenena eto Antananarivo. Nahitana hetsika mahakasika izany avokoa ny renivohi-paritany rehetra manerana ny Nosy. No­santarina tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana ny fotoana. Nisy fanolorana mariboninahi-pirenena sy medaly ho an’ny zandarimariam-pirenena sy ny sivily miara-miasa amin’izy ireo ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fandriampahalemana. Tanjona ny […]

Manamboninahitry ny Acmil: Nizara traikefa ny Jly Ravalomanana

Notontosaina afakomaly, tao amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe, ny lano­nana famaranana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny nivoahan’ny andiany faha-13 “La13”, sady andiany nivoa­han’ny Jly Ravalomanana Richard. Nisy ny tafa sy nampitany ny traikefa amin’ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Acmil tamin’ izany. Teo koa ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo andiany niaraka taminy […]

Fampandrosoana ny kaominina : Manohana ny fitantanam-bola ny ProDecid

Natao omaly, tetsy amin’ny FDL Anosy, ny fivorian’ny Komity mpitantana (COPIL) ho an’ny tetikasa ProDécid. Voatsiahy tamin’izany fa ni­songadina tao anatin’ny dingana voalohany sy faharoa ny fandraisan’anjaran’ireo kaominina, mpiara-miombon’ antoka amin’ny fampandrosoana ifotony mifototra amin’ ny ady amin’ny fahantrana. Na izany aza, voalaza fa mbola miatrika fanamby ara-bola goavana izy […]

Hetsiky ny Diaspora tao Paris: Nohelohin’ny masoivoho malagasy ny vaovao diso

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny masoivohon’i Madagasikara ao Paris, omaly, manoloana ny hetsika nataon’ireo teratany mala­gasy, Diaspora, tany an-toerana. Tsy mitombina ireo vaovao niely. “Manamafy sy mandiso tanteraka ny vaovao diso misy manapari­taka ao amin’ny tambajotran- tserasera izahay ka milaza fa nisy fihoa­ram-pefy sy fidirana an-keriny tao amin’ny masoivoho”, hoy […]