Other News

Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy fito naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja ny jiolahy fito mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Fianarantsoa, afako­maly. Tambajotran-jiolahy roa samy hafa ravan’ny po­li­sim-pirenena tao an-toerana, tao anatin’ny efatr’andro. Naha­ray fitarainana maro ny sampandraharaha manokana eo anivon’ny ny polisy momba ny tranga tsy fandriampahalemana. Mitam-basy ireo mpanao ratsy ka nandroba tokantrano sady nanendaka. Nanao hetsika […]

Niakatra tosidra tampoka : Mpamily taksiborosy torana teo ambony familiana

Safotra tampoka sy nahatsiaro ho fanina teny am-pandehanana, teo amin’ny toerana antsoina hoe: Sahavalaina (70 km tsy hidirana an’i Toamasina), ny mpamily iray, omaly hariva. Nitondra fiara taksiborosy avy aty Antanana­rivo hihazo an’i Toa­masina izy tamin’io. “Najanona ny fiara ary torana sy nikainkona ny tanany sy ny tongony”, hoy i […]

Andrianiaina Miranto: Faniriany efa hatry ny fony kely ilay hilalao sarimihetsika

Vehivavy tanora fantatry ny maro amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy Andria­niaina Miranto. Na­naovana fanadihadiana manokana ny tenany. Gazety Taratra (*): Oviana ianao no nanomboka nilalao sarimehitsika voalohany? Miranto (-): Andrianiaina Miranto ny anarako, 22 taona aho amin’izao fotoana izao. Ny taona 2021 aho no nanomboka niditra tamin’ny sehatry ny horonantsarimihetsika, ary […]

VAOVAO TAMBATRA

Miompana amin’ny fanabeazana, ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny fahasalamana sy ny fitantanana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Mada­gasikara sy ny « Agence française de Développement » (AFD). Ho faritana ny tetiandro sy ny fampianarana ireo fifanarahana. Tanjona ny hampiroboroboana ireo sehatra voalaza etsy ambony ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny firenena […]

Toekarena: 8,4% ny vidim-piainana eto Madagasikara

Tao anatin’ny herintaona (teo anelanelan’ny volana mar­sa 2024 sy ny volana marsa 2025), nisondrotra 8,4% ny vidim-piainana teto Madagasikara, araka ny fanadihadiana ara-toekarena na­voakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Izany hoe, nahitam-piakarany 1,2% izany tao anatin’ny 12 volana. Anisan’ny nisondrotra 12,7% ny vidim-bary, niakatra 4,5% ihany koa ny sehatry ny angovo. […]