Nozaraina andraikitra mazava ireo sehatra rehetra mandrafitra ny Task Force Riz. Hifandray bebe kokoa amin’ny rehetra ny avy amin’ny foibem-pitondrana misahana ny varotra anatiny (DCI) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra hanamafisana ny andraikitry ny tsirairay mpikambana. Nisongadina ireo nandritra ny fivorian’ireo ankolafy samihafa voakasiky ny raharaham-bary, […]
Other News
Fambolena sy fiompiana : Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena
Anisan’ireo sehatra miantoka ny fampandrosoana maharitra ny fiompiana sy ny fambolena. Iankinan’ny fampiroboroboana ny toekarena sy manampy amin’ny fahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ireo seha-pihariana ireo. Manana anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, eto Madagasikara. Soa fanararaotra ny fananantsika malagasy 80% misehatra amin’ireo rafi-pihariana ireo […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny atrikasa ho an’ny teatra, isaky ny zoma manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny Craam Ankatso. Natao ho an’ireo liana ka te hisehatra amin’ny teatra izany, hampitana ny fahatokisan-tena, ny fomba fisehatra rehetra, ny fihetsika eo no ho eo, ny fiainana ny tantara araka ny nanaovan’ny mpanoratra sy […]
STK 50 taona: Santarina amin’ny fampisehoan’Antsan’i Kristy
Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny Sampana tanora kristianina (STK) eo anivon’ny fiangonana FJKM. Hosantarina amin’ny fampisehoana rindran-kira Antsan’i Kristy, atao etsy Antsahamanitra, ny 11 mey ho avy izao, izany. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny seho. Hisokatra amin’ny 10 ora sy sasany ny vavahady. Hanafana sy hanentana eny an-toerana […]
“La Poésie de Madagascar”: Tamban-tononkalo, sanganasana poety 30
Misongadina maneran-tany ny poeta malagasy, namoaka sanganasa amin’ny teny frantsay. Nisafidy ny sanganasan’ireo poeta 30 i Dominique Ranaivoson, natambany tanatin’ity boky « La Poésie de Madagascar » ity. Jean Joseph Rabearivelo, Samuel Ratany, Dox, Jacques Rabemamanjara, Régis Rajemisa Raolison, David Jaomanoro, Esther Nirina, Henri Ratsimbazafy… Anarana poeta tany aloha tany, […]






