Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo teo aloha, Ramarson Jacques, taorian’ny niakarany teny anivon’ny PAC, ny alakamisy teo. Ahina ho nanodikodina volam-panjakana izy. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo teo aloha, Ramarson Jacques. Efa impolo nantsoina teo anivon’ny Bianco teto Toamasina ny tenany hatramin’ny nialany […]
Other News
INDRAY MIJERY
Hotokanana, anio, ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny EPP Ivato, izay fanitarana sy fanatsarana. Anisan’izany ny efitranon-tsekoly iray, trano famakiam-boky ary fandokoana ireo efitra manontolo. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fanatanterahana ny asa. Hanatsarana ny tontolon’ny fianaran’ireo kilonga no anton’ny fanavaozana. Herinandro Masina amin’ity herinandro ity. Maro ireo tokantrano mamonjy fanompoam-pivavahana amin’ny […]
Filana andavanandro: niakatra ny vidin’ny entona fandrehitra
Nahitam-piakarana efa herinandro vitsy izay ny vidin’ny entona fandrehitra eto Antananarivo sy ny manodidina. Ho an’ny marika Vitogaz, niakatra ho 27 400Ar ny tavoahangy 4 kilao, raha toa ka 26 900Ar izany teo aloha. Lasa 62 800Ar kosa ny tavoahangy milanja 9 kilao, raha toa ka 61 800Ar izany teo aloha. Ankehitriny, […]
Fizahantany: Hanao sidina ao Nosy-Be indroa ny Airlink
Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny fampitomboana ny sidina avy any ivelany tonga eto Madagasikara. Ny alahady teo, nigadona tao Nosy-Be, nitondra mpizahatany 80 isa niainga tao Johannesburg, ny kaompania ana habakabaka Airlink. Ny taona 2023 no nampahafantatra ny zotra vaovao hataony ny kaompania. Noho izany, hanao […]
Tetikasa « Seeed »: Hanohana ny tontolon’ny fandraharahana
Manofana mpandraharaha ho an’ny asa mendrika eto Madagasikara ny tetikasa « Seeed ». Ankehitriny, miisa 85 ireo rafitra naneho ny fahavononany ka laharam-pahamehana ireo miantsehatra eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ireo manohana ny mpandraharaha vehivavy sy manana fahasembanana. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny Antanimena, ny tetikasa « Seeed […]