Hampiantrano fifaninanana goavana indray i Madagasikara, ny volana jona ho avy io. Hatao eto Antananarivo ny fifanintsanana “Rugby Africa Women’s Cup 2025”. Afaka hanohana ny Makis Ladies eto an-tanindrazana indray ny Malagasy mpankafy Rugby. Raikitra indray! Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 16 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, […]
Other News
Fiovan’ny toetr’andro: Mbola mamely ny ankamaroan’ny olona ny gripa mahery
Mbola mirongatra sy mahazo ny ankamaroan’ny olona ny gripa hatramin’izao fotoana izao, raha ny nambaran’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Somary mahery vaika kokoa ny gripa niseho tamin’ity taona ity satria tena mampandamaka ilay olona voany mihitsy izany. Nanomboka nahitana ny trangan’aretina gripa teto amin’ny Nosy, indrindra ny teto Antananarivo sy ny […]
Masindray Avaradrano : Fiompiana trondro anaty fefy
Hampiroboroboana ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana eto amin’ny faritra Analamanga. Anisan’izany ny farihy eny amin’ny kaominina Masindray, distrika Avaradrano. Nidina teny an-toerana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Paubert, ny 2 mey teo. Nojerena ny fomba rehetra ahafahana manatanteraka izany, toy ny toetry ny rano, […]
Utop 2025: Vonona avokoa ny mpandray anjara
Mitombo hatrany ny isan’ny mpandray anjara amin’ny « Ultra Trail des Ô Plateaux » (Utop). Hanomboka rahampitso ny andiany faha-16 izay hatao any Mantasoa. Hanomboka rahampitso, haharitra hatramin’ny 11 mey ny «Ultra Trail des Ô Plateaux» (Utop), andiany faha-16, hatao ao Mantasoa. Mahatratra 2 830 ireo mpandray anjara amin’ity taona […]
Minisitra Sahondrarimalala: “Mahaleo tena ny fitsarana…”
Nanazava ny momba ny raharaha namoahana am-ponja ny vadin’ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny minisitry ny Fanabezam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Nanteriny fa efa mazava ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny Fitsarana. “Nibaiko ny fampanoavana ny minisitry ny Fitsarana mba tsy hanohitra, hanao “Opposition” ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpamoaka didy raha nangataka fahafahana vonjimaika, […]






