Nivoaka omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny andiany Hiratra, nanaraka ny fiofanana ho an’ny mpitsara taranja basikety. Mpiofana 39 mianadahy no nahazo ny mari-pankasitrahana nandritra ity fiofanana nokarakarain’ny ligin’Analamanga taranja basikety ity. Hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 17 mey izao, ny fifaninanana “Lemur Cup”, taranja Jiu-jitsu brezilianina. Ho […]
Other News
« Yas Coupe de Madagascar »: Niala an-daharana ny Fosa Juniors
Nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera indray ny resaka baolina kitra, omaly. Araka ny vaovao niparitaka, niala an-daharana tsy hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Yas Coupe de Madagascar 2025”, ny Fosa Juniors Boeny. Araka ny fanadihadiana natao, nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba atsy Boeny ity fa tsy afaka hanatrika […]
Jeux corporatifs : Homem-boninahitra ireo nahavitabe
Taorian’ny fiatoana nandritra ny 5 taona noho ny aretina Covid 19, hiverina indray ny «Jeux corporatifs». Fihaonana ho an’ireo mpiasa amina orinasa, karakarain-dRandrianjafitseheno Clément (Clément Rabary), mpanao gazety zokiolona. Andiany faha-28, hotanterahina ny 14 sy 15 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Vontovorona. Hiavaka ity andiany ity, araka ny […]
JJB – Grand Slam : Hisolo tena an’i Madagasikara ry Andy, Bryan ary Chakif
Malagasy mpikatroka taranja Jiu-jitsu breziliana telo lahy no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana “Grand Slam”, hatao any Abu Dhabi, ny 16 sy 17 mey izao. I Andy Rasamy, i Brayan Rasamy ary i Chakif Mohammade no hisolo tena an’i Madagasikara, mandritra ny fifaninanana “Grand Slam”, hatao any Abu Dhabi, […]
TARATRY ny KANTO
Nanolotra boky ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny AFT Andavamamba. Boky miisa 64, ahitana tantara foronina ho an’ny tanora ireo, ka anisan’ireny ny sanganasan’i Julien Rakotonaivo, “Echos et murmures du temps jadis”. Tafiditra anatin’ny fampitiavana ny vakiboky ho an’ny tanora, izay anisan’ny sehatrasan’ny AFT izao fanomezana boky izao. […]






