“Tadiavina hofongorina ny fanoherana eto Madagasikara. Hamerina fitondrana jadona izany no misy? Efa ao anatin’ny demokrasia izao, fahafahan’ny olona ny miteny. Tsy maintsy miteny sy maneho ny heviny ny mpanohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim eo anivon’ny vondrona Firaisankina voafidy tao Antananarivo VI, Andriamampandry Todisoa, momba ny anjara toeran’ny […]
Other News
Onja miabo
Migadona indray ny andro malaza ho an’ny kitra malagasy. Hotanterahina any Casablanca, anio, ny lalao hifandonan’i Centrafrique sy ny Barea. Malahelo ny mpankafy amin’ny tsy fahafahana manatrika sy manohana ny ekipa. Iaraha-mahalala ny famaizana ataon’ny Kaonfederasionina afrikanina momba ny baolina kitra noho ny resaka kianja. Tsy hatao resabe ny […]
Fanotofana tany tsy ara-dalàna : Mitohy ny hetsiky ny borigady manokan’ny MFFT
Nanamafy ny hetsika efa nataony ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tsy handefitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny eo anivon’ny borigady manokana ao amin’ny minisitera. Hiara-kiasa amin’ny Apipa ity sampana manokana ity ary hijery sy hanara-maso ny fampanajana ny fenitra eo amin’ny fanorenana sy ny fanajariana […]
TSELATRA
Fandrobana Cash point iray tetsy Ambolokandrina Tsena, ny 5 marsa lasa teo. Voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP2 omaly maraina indray ny jiolahy iray hafa nanatanteraka ny asa fandrobana tao amin’io Cash point io, raha toa ka tratra afakomaly hariva ny lehilahy tratra nisokitra ny sakaosy nisy vola mitentina 8 […]
Madera Namontana: Lehilahy iray saika hangalatra sarona
Lehilahy iray tratran’ny fokonolona saika hangalatra sy hanendaka teny amin’ny fokontany Madera Namontana, omaly maraina. Hitan’ny olona nihaodihaody saika hanao ny asa ratsiny teny amin’ny manodidina ny lehilahy miisa efatra. Voalaza fa saika hanendaka sy hangalatra teny amin’ny manodidina izy ireo. Nenjehin’ny fokonolona ary tratra nandritra izany ny iray tamin’ireo […]







