Namoaka taratasy fampahatsiahivana ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Mahakasika indrindra ny fanapariahana sary, horonampeo na horonantsary mikendry fanalam-baraka anaty tambajotran-tserasera, izay nisesy tato ho ato, izany. Mampahatsiahy fa melohin’ny lalàna momba ny ady heloka sy ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery ary ny lalàna mifehy ny […]
Other News
Loza mitatao ho an’ny Malagasy: Potika manaraka ny kolosaina ny fiarahamonina
Malagasy tsy mataho-tody. Malagasy mpivarotra tanindrazana. Malagasy tsy matahotra an’Andriamanitra. Malagasy sahy mandatsaka aina. Malagasy mpanindraindra sy mpanao an-doloha ny fomban’ny hafa. Malagasy mpamadika… Tsy misy idiran’ny politika sy ny toekarena ireo tranga mamotika an’i Madagasikara ireo. Tranga maneho fa potika manaraka ny kolosaina ny fiarahamonina malagasy. Ratsy kolokolo ny […]
Jerem-potsiny : Tsy maka lesona ny mpanakanto sasany
Izao vanim-potoana izao no tena mampiroborobo fatratra ny fomba fanapariahana ny zava-misy maneran-tany. Tafiditra ao anatin’izany ny fivelaran’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Matetika, anefa, jerena fotsiny izy ireny fa tsy handraisan’ny mpanakanto sasany lesona. Ankehitriny, azo fantarina tsara ny lalan-kizoran’ireny mpanakanto manana ny fahaizany sy ny lazany ireny. Tsy voatery […]
Andron’ny Frankôfônia : Nohetsehina ireo Ivontoerana ho an’ny kolontsaina eny ifotony
Ny OIF no vy nahitana ireo CLAC manerana ny Nosy. Nahitam-bokany amin’ny fanabeazana sy ny kolontsaina miainga eny ifotony ireny ivokolo ireny, izay hetsehina indray hanohy ny andraikiny. Rahampitso 20 marsa ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia. Ho fanamarihana izany, netsehina indray ireo Ivontoerana famakiam-boky sy fanaovana hetsika ara-kolontsaina na […]
FANTINA sy FINTINA
Nandray ny toerany maha tale jeneralin’ny Serasera, eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, azy i Botomiarana Donald Judicaël Tavao, omaly. Natao tetsy Anosy ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny tale jeneraly teo aloha, Ratrimonirina Elias. “Tsy mora ny asa saingy olon’ny serasera isika ka misokatra”, hoy izy. Nambaran’ny depiote […]







