Nahazo fitaovana ny Apipa, sampandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nisitraka izany ireo mpiasa mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanadiovana lakandrano ka anisan’ny nanaovana izany ny tetsy amin’ny farihin’i Masay, ny asabotsy teo. “Atao tanana ny asa ary miroboka ao anaty rano ireo mpiasa ka izao nomena […]
Other News
Andranomena Antananarivo ; Hanova ny olona hihatsara kokoa ny tempoly
Napetraka ny sabotsy teo ny vatofototra ho fanombohan’ny asa fanorenana ny tempolin’Antananarivo etsy Andranomena. Nentin’ireo mpino sy ny mpitarika ny fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany am-bavaka izany. Nambaran’ny loholona Denelson Silva, anisan’ireo fitopololahy manampahefana ambony, fa Trano Masina ahafahana manao asa masina mampihavana amin’Andriamanitra izao tempoly izao, […]
FANTINA sy FINTINA
Miisa 35 tamin’ireo voafonja 64 no nahavita fiofanana teny Sinoa eny Antanimora. Nisahana izany ny ONG Tohanako. Nandray ny mari-pankasitrahana izy ireo ny zoma teo ary afaka hanatanteraka indray ny fanadinana ahazoan’izy ireo ny diplaoma iraisam-pirenena amin’ny teny sinoa, iarahana amin’ny “Institut Confucius de l’Université d’Antananarivo”. Tafaverina eto Madagasikara ny […]
Depiote Ramilison Nomenjanahary : “Ilaina ho arofanina demokratika ny mpanohitra”
“Ilaina ny mpanohitra eto amin’ny firenena, fa arofanina amin’ny tany demokratika”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, Vakinankaratra, Ramilison Nomenjanahary. Tsy hoe fahavalo na anaovana vavabe etsy sy eroa amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga ny mpanohitra. Tsy mpifahavalo ny mpitondra sy ny mpanohitra, fa ny hevitra […]
Voin-kava-mahatratra
Eo amin’ny fiainana, misy ory hava-manana? Tsy iza fa izay tsy mahazaka ny hafa misandratra sy misondrotra. Indrindra izay akaiky ny tena, iray lahatra amin’ny tena na niara-niainga tamin’ny tena, mpifaninana amin’ny tena… Amin’izany rehetra izany, tsy vitan’ny hoe ory fotsiny ny sasany fa mankahala, manaratsy, manao izay haminganana… […]







