Other News

Sambo hopitaly Afrika Mercy Ships: Nanomboka ny alatsinainy teo ny fandidiana voalohany

Ny alatsinainy 10 marsa lasa teo no nanomboka ny fandidiana voalohany an’ireo olona ma­nana aretina sy mila izany eny anivon’ny sambo ho­pitaly Afrika Mercy Ships, raha toa ka efa ny alakamisy teo no nanaovana ny lanonana ofisialy mahakasika ny fandaharanasan’ny sambo mpandidy. Niverina ary miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina indray […]

TARATRY ny KANTO

Lany tao anatin’ny fotoana fohy nivoahany ny tapakila! Mbola ny tarika AmbondronA irery hatreto no mahavita izany eto Madagasikara. Tsy ampy ora telo akory dia jifa avokoa ny tapakilan’ireo seho roa hotontosain’ny tarika etsy amin’ny La City Ivandry, ny zoma 21 marsa sy ny alahady 23 marsa ho avy izao. […]

Taom-baovao : Hankalaza ny « Rosh hashanah » ny Hebreo notsrym

« Rosh hashanah » na ny Taom-baovao ho an’ny Heb­reo. Fotoana hifamelan-keloka, hamitranam-pihavanana mba hananana fo madio hiatrehana ny taona vaovao. Fotoam-piravoravoana sy fifaliana noho izy lavitry ny romoromo sy fiatsarambelatsihy. Nomarihin’ny Shalar An­driamady Rija, sekretera jeneralin’ny Fikambanan’ny Heb­reo eto Madagasikara (FHM) fa anatin’ny volana « habib » ny fankalazana ny Taom-baovao ho an’ny […]

Rindrankira fiderana : Hiseho eny Vontovorona ny TMI

Tontosa soamantsara ilay seho lehibe notanterahin’ny Tanora Masina Itaosy (TMI) tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Tsy hijanona ela fa hitohy avy hatrany eny Vontovorona izany, ny alahady 16 marsa izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Fampisehoana hotontosaina ao amin’ny « Aumonerie catholique universitaire de Tananarive (Acut) ». Ireo sanganasa fiderana […]

Oloben’ny kolontsaina sy ny serasera ; Nodimandry i Julien Rakotonaivo

Akademisianina, mpahay tantara, mpampianatra mpanabe, mpanao gazety, mpanoratra ary nitana andraikitra ambony maro teto amin’ny firenena. Maro ny azo resahina momba an’i Julien Rakotonaivo. Namela mamy ho an’ny firenena izy. Lavo ny andrarezina… Tsy fomba fiteny fotsiny izany eto fa tena mahalaza ny zava-mitranga. Nodi­mandry omaly mantsy i Julien Rakotonaivo, […]