Other News

VAOVAO TAMBATRA

Tombanana any amin’ny 15,93% ny asa vita fanarenana ny lalampirenena RN18 (Vangaindrano-Befotaka). Anisan’izany ny eo amin’ny PK0 hatrany amin’ny PK136. Efa nahitana vokatra tsara ny fanamboarana ny ampahany tena ratsy (PK17+500). Namboarina ny lakandrano sy ny «dalot», ifehezana ny fikorinan’ny rano, indrindra ny PK5+500. Mamatsy vola ny asa ny fanjakana […]

Fanodinana: Vokatra azo avy amin’ ny volontsangana

Maro ny vokatra azo avy amin’ny volontsangana. Anisan’ny orinasa tena madinika misehatra amin’izany ny orinasa Moi Ecolo, natsangan-dRakototiana Santatra sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Niorina ny taona 2019, mifototra amin’ny famokarana vokatra avy amin’ny volontsangana. Maro ny vokatra vitan’izy ireo, toy ny kojakoja fanahazan-damba (pinces), sotrobe manokana fandoaran-tsakafo (spatule), boatikely, zavamaneno […]

Ravinala Airports: Mandeha ny fanavaozana ny seranan’Ivato

Mihazakazaka ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Hitarina ny fiantsonan’ny fiaramanidina. Mitohy ny fanatsarana hanaraka ny toetrandro ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Taorian’ ny fotodrafitrasa hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, mi­ditra amin’ny fanitarana ny arabe fiantsonan’ny fiaramanidina (Tarmac) indray ny Ra­vinala Airports, ankehitriny. Tanjona ny hahafahana mandray fiaramanidina vaventy karazany maro. […]

Kalon’ny fahiny…: Nodimandry i Doda (Ny Voamaintilany)

Araka ny vaovao voaray halina, nodimandry i Doda ao amin’ny tarika Ny Voa­maintilany. Anisan’ny nahafantarana azy ny fihirana ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Anisan’ny mpikambana tao amin’ny tarika Noelson Lalao (rainy niteraka azy) i Doda. Saika nametrahany ny feony avokoa ny antanantohatry ny feo nilaina tamin’izany. Taty aoriana, […]