Hiroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasan’ny Jirama. Araka ny loharanom-baovao, takin’izy ireo ny handraisan’ny fanjakana fepetra amin’ny tale jeneraly sy ny tale miisa telo akaiky azy. Antony, leo ny mpiasa satria mangataka fanemorana foana ireo mpitantana rehefa hangatahana fihaonana. Raisin’izy ireo ho tsy fahaiza-mitantana izany, toy ny tsy fisian’ny rafi-pitantanana […]
Other News
Fiovaovan’ny toetr’andro : Nizarana traikefa ireo eny ifotony
Nambaran’ny talen’ny fampandrosoana maharitra ny tanàna, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Ramaroson Miary, fa mitohy ny fifampizarana traikefa. Efa nisy ny fiofanana teo aloha momba ny fiatrehan’ny tanàna sy ny kaominina ary ireo minisitera samihafa ny fiovaovan’ny toetr’andro, araka ny nambarany. “Miditra amin’ny fampiofanana sy […]
Fitsidihana tampoka nataon’ny minisitra : Nakatona ny fonjan’i “Maputo” eny Antanimora
Nisy ny fitsidihana tampoka nataon’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Alexis Bejamin Alexis, teny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly maraina. Fepetra maromaro no noraisina tamin’izao fidinana ifotony izao. Anton’ny fitsidihana tampoka ny fijerena ny fomba fiasa sy ny lesoka amin’ny fitantanana ity fonja ity. Hijerena koa ny ahafahana manampy ireo mpandraharahan’ny fonja amin’ny […]
Mpitondra tenin’ny governemanta : “Nisy masontsivana ny nahazoan’ ny filoha amboara”
Nitondra fanazavana amin’ ny nahazoan’ny filoha Rajoelina Andry ny amboara nahavoafidy azy ho mpitarika politika Afrikana mendrika 2024, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, omaly. “Nandalo masontsivana ny fisafidianana eo anivon’ny African Leadership Magazine, ankoatra ny safidy avy amin’ny daholobe”, hoy izy. Nanteriny fa manana vina […]
CUA sy ny Banky iraisam-pirenena : Nanaovana tombana ny tetikasa Produir
Noraisin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly, ny iraka manokana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, Catalina Marulanda. Anisan’ny iandraiketany ny sampandraharaha momba ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe, ny fananan-tany ho an’ny faritra Afrika Atsinanana sy atsimon’i Afrika. Nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny andaniny sy ankilany ny momba ny fandaharanasa Produir, […]






