Other News

TARATRY ny KANTO

Nanolotra ny « Kabary Hybride » i Orad na i Rado Ravalison. Ny sabotsy teo izany, tetsy amin’ny Fondation H Ambatomena. Tafiditra anatin’ilay fampirantiana Iraisam-pirenena « Safiotra », izay nisokatra tamin’iny faran’ny herinandro teo ihany koa koa izany. Kabary nenti-paharazana, saingy amin’ny teny malagasy, frantsay ary anglisy no nozarainy nandritra izany. Raikitra ny fifaninanan-kira […]

IKM Antsahavola : Hampirantiana ny « Alamahadibe 2025 »

Hisy ny fihaonana eo amin’ireo mpandala ny « Alaha­madibe », anio. Sady fanokafana ny fampirantiana « Ala­ma­hadibe 2025 » , izay hatao eny amin’ny IKM Antsahavola izany, manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro. Ireo sary sy horonantsary rehetra noraiketina nandritra ny fankalazana ny 29 sy 30 marsa teo, no haranty mandritra io. […]

« Loka Paritana 2025 » : Lasan’i Chloé Soafaniry Ramanankasina

Tanora « designer », manana aingam-panahy miavaka i Chloé Soafaniry Ramanankasina. Antony iray nironan’ireo mpitsara tamin’ny tetikasany, ka nahazoany ny loka « Paritana 2025 » izany. «Renouer les tresses de son identité ». Io ny tetikasa naharesy lahatra ny mpitsara, amin’ny loka « Paritana 2025 », fifaninanana tetikasa ara-javakanto karakarain’ny Fondation H. Tetikasan’ i Chloé Soafaniry Rama­nan­kasina, […]

FANTINA sy FINTINA

Mitohy hatrany ny hetsika fanadiovana ka anisan’ny nitondra fanatsarana ny zaridaina sy nandoko ny faritra eo amin’ny Rondpoint Ambohidahy, ny sabotsy teo, ny solontena avy eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany ny tale kabinetran’ny minisitry ny Fitsarana, Rabearisoa Rochel sy ireo tale isan-tokony. Nanadio ireo toerana lehibe : tsena, arabe, […]