Other News

Fanafihana mitam-piadiana: Jiolahy roa lavon’ ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy ireo jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, afokomaly. Azo sambo-belona kosa ny iray hafa. Anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nisesisesy teto Antananarivo Renivohitra izy ireo. Nataon’ny polisy hazalambo izy ireo ary voasambotra tao amin’ny trano iray tetsy Ankazotoho. Ahina ho anisan’ireo andian-jiolahy nanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Andohan’Analakely […]

Taranja tolona – Ekipa nasionaly malagasy : Mahatratra 80 mahery ireo atleta hifantenana

Efa ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny ao amin’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), amin’izao fotoana izao. Miisa 80 mianadahy ireo atleta hanaovana fifantenana handrafitra izay ho ao anaty ekipam-pirenena. Hotontosaina ny 29 avrily hatramin’ny 4 mey ho avy izao, any Maroc, ny fiadiana ny ho […]

TARATRY ny KANTO

Hifarana ny 1 marsa izao ilay fampirantiana “Memoria : récits d’une autre histoire”, etsy amin’ny Fondation H Analakely. Hisy ny velakevitra manodidina ny fampirantiana, izay hotarihin’ny profesora Ravelomanana Jaqueline, manam-pahaizana momba ny tantara, sy i Céline Seror, niandraikitra ny fampirantiana. Arahina atrikasa manodidina ny fanangonana ireo tadidy hirakitra ho tantara izany. […]

Madagasikara – Japon: Hisy fifanakalozana kolontsaina

Hotanterahina ao amin’ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy i Japon. Ny 22 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora maraina, eo amin’ny « gradin ». Fanehoana fahaizana sy fampahafantarana ny soratra japoney hotanterahin-dRtoa Kouka Awazu. Hanomboka amin’ny 10 ora sy sasany ka […]